Ketsa saraka, nahatratra 15 taonina mahery ny vokabarin'i Jeneraly Rabemanantsoa Robert tamin'ny fampiasàna azy. Manamboninahitra ambony misotro ronono nanana andraikitra ambony tao amin'ny tafika malagasy tamin'ny fotoan'andro. Liana amin'ny voly vary.

Fomba ahafahana mampitombo ny voka-bary eto Madagasikara ny teknika fambolem-bary voizin'ny Papriz. Faritra 22 moa no iasan'ity tetik'asa ity izay efa nanomboka niasa tamin'ny taona 2008 tamin'ireo faritra 05 anivon-tany.

Nanatsara ny famokarana zezika kankana nofotorany nandritra ny taona maro Andriamatoa Ranaivoarisoa Basile, fantatry ny maro amin'ny solon'anarana Papa Bio... 

Nisedra olana mafimafy indray ny mpamokatra ronono nandritra ny fikatonan'ny faritra samihafa tamin'ity taona ity noho ny fampiharana ny fepetra tsy iparitahan'ny valan'aretina. Manomboka mivaha kosa izany amin'izao fotoana isokafan'ny faritra izao... 

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...