Manohy ny sehatr'asany any amin'ny distrikan'i Bealalana Faritra Sofia amin'ny fiarovana ny tontolo iainana ny Foibe FAFIALA manana ny foiben-toerany eny Ambohimangakely, distrikan'Antananarivo-Avaradrano. Tetik'asa tanterahana mandritra ity taona ity ary kaominina roa no hanaovana izany...

14 taona niasana teto Madagasikara ny tetik'asa PROSPERER. Nisitraka tohana avy amin'izany ireo tantsaha, ny tanora, ny mpanao asa tanana, ny orinasa samihafa misehatra amin'ny famokarana eny ambanivohitra. Nifarana tanteraka ny tetik'asa nanomboka ny volana jona 2008 tamin'ny alalan'ny atrik'asa tao amin'ny Colbert Antaninarenina...

Ketsa saraka, nahatratra 15 taonina mahery ny vokabarin'i Jeneraly Rabemanantsoa Robert tamin'ny fampiasàna azy. Manamboninahitra ambony misotro ronono nanana andraikitra ambony tao amin'ny tafika malagasy tamin'ny fotoan'andro. Liana amin'ny voly vary.

Tanora 400.000 (efatra hetsy) isan-taona no tonga eo amin’ny tsenan’ny asa eto Madagasikara araka ny tarehimarika ofisialy. Tsy an’asa avokoa ny atsasak’ireo. Ny 8 alina ihany no afaka mamelo-maso ny fihariana eny ambanivohitra noho ny fandovana tany avy amin’ny ray aman-dreny. Mitaky fifehezana ny famokarana sy ny lalam-barotra handefasana ny vokatra anefa ny fahombiazana. Manana andraikitra amin’ny famolavolana ireo tanora ireo hahafolaka ny famokarana ny vovonam-pikambanana.

[Miara-dàlana] Alakamisy 26 jona 2025

Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...