Misy tarehimarika roa omen'ny mpitsabo rehefa mitsapa tosi-drà ; ohatra 12-8 ka ny voalohany manambara ny tosika voalohan'ny rà ary ilay faharoa dia tosika manaraka izay somary ambany. Raha ilay tosika voalohan'ny rà no latsaky ny (< 9) dia izay no hambara fa ambany ny tosi-drà. Fambara : ankoatra ny tsy maintsy hitsapana azy amin'ny fitaovana voatoka dia mety hahatsiaro ho reraka ilay olona na fanimpanina, misy feo misioka ao anaty sofina na migobona, mety ho tonga amin'ny fahatoranana sy tsy fahatsiarovantena, manjavozavo ny fijery, fanina vao mitsangana tampoka...
Ny vaksiny dia fanomanana ara-biolojika izay hampidirina amin'ny olona mba ahafahana manetsika sy mampitombo ny herifiarovana ao anatin'ny vatan'ny olombelona. Fomba roa afahana mampiditra ny vaksiny amin'ny olombelona iray ka hatsindrona na hampidirina avy any am-bava. Ny vaksiny dia natao hisorohana aretina iray na hampitomboana ny herifiarovana. Mivoatra hatrany ny vaksiny hatramin'ny taon-jato faha-X nahitana sy nampiasàna azy voalohany...
Ireo vahivavy vao avy niteraka dia mila manao mafana tsara sy harahina maso ny fahasalamany, manomboka amin'ny fotoana niterahany hatramin'ny fiverenany fadimbolana. Nandritra ny 9 volana no nitondrany vohoka ka rehefa teraka dia misy dingana maromaro hiverenan'ny tranon-jaza amin'ny laoniny...
Tsy ny zava-pisotro misy alikaola sy ny rongony ihany no zava-mahadomelina misy eto Madagasika fa efa misy koa ireo hatsindrona sy hevohina, izay mahery tokoa toa ny "héroïne". Maro ny tanora voasarika amin'ny fandraisana zava-mahadomelina raha ny eto amintsika. Ny fandraisana zava-mahadomelina hatsindrona dia azahoana vaka-dratsy malaky, mety ho ao anatin'ny herinandro monja. Ireo voka-dratsiny eo amin'ny fahasalamana : tsy fahitan-tory, marary daholo ny vatana, manavy, rera-dava, fahiazana...
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco