Aretina mbola misy eto Madagasikara ny tazomoka ary mbola mamono olona maro manerana izao tontolo izao. Ny tazomoka dia aretina afindran'ny kaikitry ny moka amin'ny olombelona. Ilay moka antsoina hoe "anophèle" no mamindra azy. Miteraka fanaviana ny tazomoka, nefa tsy misy hanavahana io fanaviana io amin'ny aretina hafa, noho izany ny fanaovana fitiliana ihany no ahafantarana na voan'ny tazomoka na tsia ny olona iray.

Ny Takilodrano dia aretina azo avy amin'ny katsentsitra, kankana antsoina hoe "Kankan-dio" (Schistosoma). Misy karazany telo ny kankan-dio eto Madagasikara dia ny Schistosma mansoni, izay mahatonga ny Takilodrano mpahavoa ny tsinay ; ny Schistosoma haematobium izay mahatonga ny Takilodrano mpahavoa ny tatavia na ny taovam-pananahana ; ary ny Schistoma intercalatum izay mahatonga ny Takilodrano mpahavoa ny tsinaim-body na ny taovam-pananahana. Eny amin'ny ranomamy miandrona na mikoriana miadana no ahitana io katsentsitra io. Monina ao amin'ny sifotra izy avy eo mifindra amin'ny olona.

Ny hery fiarovana ao amin'ny vatan'ny olombelona dia fitambaran'ny singa maromaro, miara-miasa sy mifandrindra asa, mitily sy misakana izay rehetra mety ho fanafihana mahazo ny vatan'ny olombelona. Mila kolokoloina ny hery fiarovana ao amin'ny vatana mba hahatomombana tsara ny asany.

Aretina mpahazo ny biby mandinika ny Fièvre de la Vallée du Rift ka ny kaikitry ny moka no fomba fifindran'ny tsimokaretina eo amin'ny samy biby. Efa tamin'ny taona 1880 no nahafantarana ny fisiany, ary ny taona 1951, tao Afrika Atsimo, no nahitana voalohany tranga tamin'ny olombelona. Ny fikirakirana ny ran'ny biby marary sy ny fihinanana ny hena sy ny ronono tsy tsara masaka kosa no mampifindra ny tsimokaretina amin'ny olombelona.

[Miara-dàlana] Zoma 10 mey 2024

♦ Tontosa ny alarobia 8 mey 2024 ny Sorona Masina fanaovam-beloma farany an'i P. Giovanni Follese, Salezianina Don Bosco... ♦ Hafatra mifono teny fankaherezana no nentin'ny Vikera Jeneraly, P. Wagner Randriamampandry, ho an'ireo mpanabe sy beazina rehetra eo anivon'ny Sekoly Katôlika eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Sekoly Katôlika izay notanterahana androany... ♦ Niompana tamin'ny fanantenana, izay hatsaram-panahy fototra, ny katesizin'ny Papa François tamin'ny alarobia 8 mey 2024...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...