Tsy fahampian'ny hery sy ny vitrika ara-batana na ara-tsaina no atao hoe havizanana. Tsy azo atao antsirambina ny havizanana. Tsy midika ho hakamoana ny havizanana ary tsy maintsy fantarina ny antony mahatonga azy raha vao misy olona mitaraina ho vizana. Mety mahazo ny sokajin-taona rehetra izy, mety mahazo ny vatana na ny saina ary mety ho miaraka vizana ireo.
Ny Bibaka an-tenda na "goître" dia fivontosana amin'ny faritry ny tenda izay fivontosan'ny tiroida. Io tranga io dia mety ho toe-javatra mihelina tsy ilàna fitsaboana, na mety ho fambara amin'ny olana hafa mikasika ny tiroida, mety ho lehibe ka ilàna fandidiana. Ny bibaka an-tenda dia vokatry ny tsy fahampian'ny "iode" na efa tarazo, mety ho vokatry ny fifohana sigara, na raritsaina be loatra... Ny hôrmônina vokarin'ny taova tiroida dia ilaina amin'ny fiasan'ny : fo, atidoha, hozatra, taovam-pandevonan-kanina... Fambara : taitaitra, kizitina, mikorontana ny torimaso, mangovitra ny tanana, misakafo tsara fa mihamahia, midobodoboka be ny fo, tsemboka lava, manana olana @ taovam-pisefoana...
Ny aretina "parkinson" dia aretina mahazo ny selan'ny atidoha, izay mamokatra ny tsiranoka atao hoe "dopamine". Ity farany dia manana ny asa mandrisika ny vatana havitrika. Ny atidoha dia taova mibaiko ny vatana manontolo, ka ilàna fitandremana. Ny sakafo mandrisika amin'ny famokarana "dopamine" : ankondro, chocolat, sésame, zavoka, atody, sakafo vita avy amin'ny ronono. Ny lehilahy no betsaka voan'ny aretina "parkinson", ny salan-tanao dia manodidina ny 60 taona no miakatra. Ny fambara : valabalaka, mihena ny fifantohana, mihena ny fahazotoana manao asa, mihinjitsindritra ny ozatra samihafa, sahirana manetsika vatana, mangovitra ny loha na tongotra na ny tanana rehefa mipetraka, sahirana miteny, miharatsy soratra...
Ny varisy dia fihitaran'ny haben'ny lalan-drà "veine" noho ny fahaverezan'ny fizozorany, ity lalan-drà ity dia ilay fantsona mitondra ny rà maloto miverina any amin'ny fo. 30 hatramin'ny 35% ny vehivavy no mety ho tratry ny varisy ary 15 hatramin'ny 30% ny lehilahy. Ny varisy dia misy karazany roa : ny voalohany , ireo hita ety ivelany izay mitarika amin'ny faharatsian'ny endrika sy bika, ny faharoa dia ireo tsy tazana fa any anaty nofo. Ny faritra mety hisy azy amin'ny vatan'ny olombelona : fe, ranjo, tampon-tongotra, ny hoditra fonon'ny vy ho an'ny lehilahy. Ny antony : tarazo, fihoaran'ny lanja, vokatry ny fitsaganana na fipetrahana lava, na mandry lava, vahanterana, ary farany olona amin'ny fitondrana vohoka...
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco