Hita taratra tao amin'ny lahateny nataon'i Papa François, nandritra ny fandraisany ireo masoivoho vahiny miasa eo anivon'ny Fiketrahana Masina ao Vatican, tonga niarahaba azy noho ny nahatrarana ny taona vaovao, ny alakamisy 9 janoary teo, ny fiahiany an'izao tontolo izao.
Fotona nifampirariantsoa sy nifampiarahabana noho ny nahatrarana ny taona vaovao 2020 teo amin'i Papa François sy ireo masoivoho vahiny miasa ao Vatican, ny alakamisy 9 janoary.
Namerina indray ny fanentanana ny rehetra handalina ka hahatsapa ny maha zava-dehibe ny Sakramentan'ny Batemy i Papa François.
Naneho ny firaisampony amin'ny vahoaka aostraliana manoloana ireo fahavoazana goavana ateraky ny doro tanety sy ny doro ala any Australie ny Papa François, tao anatin'ny Audience Générale tamin'ny alarobia 8 janoary teo.
• Nanomboka omaly ny Fihaonamben'ny Pretra Diosezanina, any amin'ny Diosezin'Antsirabe. Pretra manodidina ny 1126 no miatrika izany… • Hifarana rahampitso 14 novambra 2026, ny fisoratana anarana ho an'ireo rehetra hiatrika ny famaranana ny fankalazana ny faha-800 taonan'ny Pakan'i Md François… • Nihaona tamin'ireo niharan'ny fanararaotana tao Lima, ny Papa Léon XIV…
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco