Nampitsambadika ambony ambany ny tantara teo amin'ny tokantrano roa samy hafa : sahirana sy nanana ny ampy ny fisafotofoton'ny rivo-piainana. Antony nampiezaka mafy an-dRakoto sy Rasoa hampianatra ny zanany lahitokana ny fahantrana nianjady tamin'izy ireo. Nampivoatra ny fiainan'izy telo mianaka ny fahatratraran'io menaky ny ainy io ny tanjona... 

Ny antsa dia karazan-dahabolana atao an-kira ; izy io dia tonom-bavaka firarian-tsoa, fanirian-tsoa sy fiderana ny mpanjaka fahizany. Mazàna dia arahina zava-maneno toy ny amponga, kipantsona sy ny lamako ny "antsa". Ny tsiarombavy na tsierombavy n mpiantsa azy io ; izy ireo dia vehivavy amin'ny mpanompon'ny mpanjaka fahiny izay niforona ho toy ny foko iray mihitsy. Ny tena anaovana ny "Antsa" dia ho fankalazana sy fiderana ny fiandrianan'ny mpanjaka, fa atao ihany koa ho fihobiana ny mpandresy an'ady avy niantafika. ...

Mpisakaiza fony fahazaza i Samy sy i Faneva ary i Mlle Fanilo. Tsy mitovy fari-piainana anefa izy teo ireo fa i Samy zanak'olona antonontonony, i Faneva sy i Fanilo kosa dia isan'ireo zanaky ny mpanan-karena eo amin'ny tanàna misy azy ireo. Taty aoriana dia nifankatia i Samy sy i Fanilo ; nisedra olana izy roa satria velom-pialonana i Faneva ka nitady ny fomba rehetra anapahana ny fifankatiavan'izy ireo... 

Ny Taom-baovao sy ny alahamady ary ny alahamady be dia samy voasokajy ho ao anatin'ny kolon-tsaina malagasy. Raha fomba sy riba no misongadina kokoa amin'ny Taom-baovao sy alahamady dia ahitàna finoana kokoa ny alahamady be satria misy vavaka sy fangatahana amin'ireo manana ny satan'ny Razana, Zanahary ; ankoatra ireo taranaka andriana mpandala sy mpanamarika ity fotoana ity dia  fotoana hihaonan'ireo mpanazary manerana ny nosy amin'ny toerana voafaritra ihany koa io mba hanatanterahana fomba maro samihafa sy hifanakalozana traik'efa sy fahalalana mba entina hanasoavana ny vahoaka indray amin'ny taona hodiavina. Volana avrily no fotoana matetika fanamarihana ny alahamady be...

Sous-catégories

[Vaovao manokana] Alakamisy 2 mey 2024

Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin i Maintirano i Mompera RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo, misioneran’ny Lasalety, Vicaire délegué de l’Adminstrateur apostolique ao Maintirano ankehitriny.  Teraka ny 23 novambra 1974  tao Ambohimandroso- Ambohimanga Rova i Mgr Clément Herizo, ary ny 30 mars 1975 izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tao Ambohimanga Rova. Tao Namehana izy no nandray voalohany ny Eokaristia Masina ny 12 novambra 1982, ary ny 23 aogositra 1998 no niroso tamin’ny Sakramentan’ny Fankaherezana tao Alarobia Antananarivo. Nandalina ny filôzofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Antananarivo izy ny taona 1999 ka hatramin’ny taona 2002.

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...