Ny isa FITO (7) dia isa masina satria maneho fahafenoina izay lalan-tsaina nolovantsika malagasy tamin'ny tatsinanana,. Ny isa fito dia ahitana foto-teny "ITO" izay midika hoe tapaka ary io fiheverana io no anton'ny isa fito izay fatotra atao amin'ny faty mba ho fanapahana ny fifandraisany amin'ny velona sy ho fanapahana ny loza. Ny isa fito teo amin'ny malagasy dia midika ho haja sy voninahitra ary fahombiazana. Ny fomba malagasy dia ahitana taratra io isa io avokoa... 

Mpivady i Ndretsa sy i Miora anefa nisy lozam-pifamoivoizana nahazo an'i Miora ka tsy maintsy mampiasa seza misy kodiarana izy vao afaka mifindrafindra toerana ao an-trano. Nialohan'ny loza nahazo an'i Miora sy ny mariaziny dia nianoka tao anatin'ny fiainam-pitiavana lafatra i Ndretsa sy Miora anefa niova izany taty aoriana ary ranomaso isan'andro no niainan'ity farany rehefa mahatsiaro ny teo aloha sy ny fitondrana ataon'i Ndretsa vadiny azy... 

Ny kabary dia isan'ny fitaovana fampitam-baovao ; santiona vitsivitsy : kabarim-panjakana (didy sy lalàna, fakana miaramila, fantaminana fanjakana, fanapahan-kevitra...) ny Kabarim-pokonolona (dina, asa iombonana ...), kabarim-panambadiana (fanatanterahana fomba...). Zava-kanto vita amin'ny teny ny kabary, aminy no isehoan'ny fahaiza-mifantina voambolana sy ohabolana ary hain-teny mbamin'ny tsilalaon-teny hoentina maneho hevitra sy mampita hafatra amin'ny itenena. 

Nekena dia ankizy vavy zanak'i Antsa, manana olana io ankizy io satria tsy ampy fitiavan-dray, nisaraka mantsy ny ray aman-dreniny. Mila vaniny foana i Nekena na manao ny ezaka rehetra aza ny renibeny sy Antsa reniny. Malahelo foana i Nekena indrindra rehefa mahita ny fiainan'ireo mpiara-mianatra aminy, manana ray sy reny miara-monina sy miara-manabe. Tsikaritry ny reny fa miaraka amin'ny tovolahy i Nekena ary fototry ny fibedesana ity farany izany, tonga fotoana tokana nahafahan'izy mianaka nifampiresaka... 

Sous-catégories

[Vaovao manokana] Alakamisy 2 mey 2024

Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin i Maintirano i Mompera RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo, misioneran’ny Lasalety, Vicaire délegué de l’Adminstrateur apostolique ao Maintirano ankehitriny.  Teraka ny 23 novambra 1974  tao Ambohimandroso- Ambohimanga Rova i Mgr Clément Herizo, ary ny 30 mars 1975 izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tao Ambohimanga Rova. Tao Namehana izy no nandray voalohany ny Eokaristia Masina ny 12 novambra 1982, ary ny 23 aogositra 1998 no niroso tamin’ny Sakramentan’ny Fankaherezana tao Alarobia Antananarivo. Nandalina ny filôzofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Antananarivo izy ny taona 1999 ka hatramin’ny taona 2002.

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...