Ny jijy dia iray amin'ny lahabolana tsimihety sy sakalava, ary ireo no tena miangaly azy. Ny betsimisaraka sy n sihanaka sy ny betsileo dia samy manao jijy daholo ; fitanisana sy fitariavana lavareny no fanaovana azy, entina handokoana zavatra iray. Tsy dia mifanalavitra amin'ny "Sôva" ny endriny saingy ny rafitra sy ny hafaingana no mampiavaka azy roa. Ankoatra ny jijy mifototra amin'ny lohahevitra iray dia misy koa ny jijy mirendra izay tsy voafaritra ny lohahevitra ambarany... Fandaharana "Filira".

Ny vodiondry dia fanajana ny ray aman-drenin'ny vehivavy sy fanomezam-boninahitra. Fomba malagasy hanamarihana ny fifamatorana ara-panambadiana. Ireo dingana hatao hatanteraka ny vodiondry tamin'ny fomba malagasy dia : voalohany indrindra ny fanapahan-kevitry ny lahy sy ny vavy hifanambady, faharoa dia ny Fitadiavana andro tsara hanatanterahana ny fomba, fahatelo dia ny fiantranoana na fihaonana amin'ny fianakaviana izay misy kabary, ary fahaefatra farany dia ny fanatanterahana ny vodiondry. Ny fotoana fanatanterahana ity fomba ity dia matetika amin'ny volana mifanandrify amin'ny tonom-bitana : Alahamady, Asorotany, Alahasaty ary ny Asombola ; ho an'ireo maty vady te hanorona tokantrano kosa dia ny Alakaosy...

Araka ny finoan'ny Malagasy dia mandeha ary mifindra any Ambondrombe ny fanahin'ny olombelona iray aorian'ny fahafatesana. Ho an'ireo foko any amin'ny faritra atsimo toa ny ao Amboasary-Atsimo, Bekily, Ejeda, Ambatomika dia misy ny atao hoe "mifoha maty" io ilay fantatra amin'ny hoe "maty im-pito" ; amin'ity tranga-piainana ity dia tsy misaraka amin'ny vatana ny fanahy. Ny teny malagasy dia vata fitehirizana ny soatoavina,ny fahendrena, ny kolontsaina ary ny riba. Ny "Ho" tia mariky ny filazam-potoana ho avy ; hatambatra amin'ny teny manaraka azy raha toa ka matoanteny fototeny no hialohavany. Fandaharana "Filira" sokajy "Fitsipika" iarahana amin'ny Foibe momba ny teny, ny Akademy Malagasy...

Ny fombam-pitenenana dia andian-teny na fehezan-teny na kamban-teny, miainga avy amin'ny fiheveran'ny olombelona iray, izay tsy maintsy misy loharano nipoirany ; tsy voatery hisy hafatra na hanatra na fitsipika. Manana ny heviny ny teny ao anatin'ny fomba fitenena ireny ; ohatra "foza lahy hatakalo foza vavy" ka ny foza eto dia biby mihitsy, amin'ny  fomba mpitenenana amin'ny faritra hafa ihany koa ny hoe "akoho lahy natakalo akoho vavy"... Fandaharana "FILIRA" iarahana amin'ny Foibe momba ny Teny, ny Akademy Malagasy.

Sous-catégories

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 nôvambra 2024

♦ Manasa antsika hivavaka ho an'ireo ray aman-dreny namoy ny zanany, ny Papa François, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity volana nôvambra ity... ♦ Nohamasinana ho diakra omaly tao amin'ny EKAR Masindahy Ignace de Loyola Soamanandrariny, i Fr Stephan Marie de l'Eucharistie Rasolonjatovo, avy amin'ny Fikambanana Société des Divines Vocations... ♦ Nanentana ny mpino rehetra ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus ny 10 nôvambra 2024, mba hiady amin'ny fihatsaram-belatsihy, fa hanao ny tsara tsy amim-pisehosehoana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...