Tsy andro fety ny 8 marsa fa andro manerantany hatsiarovana ny fitakian-jo. Loha-hevitra tamin'ity taona ity: Vehivavy mizaka tena sy miarin-doha anaty tontolo iainana mirindra ho amin’ny fandrosoana lovainjafy. Ny vehivavy dia afaka mampandroso ny firenena araka ny toen-tsaina ananana, ary afaka mampita izany amin'ny taranaka. Vehivavy mizaka tena mira mahefa, mifanampy amin'ny lehilahy... 

Ny sampana ORL no miandraikitra ny fahasalaman'ny faritry ny loha. Tamin'ny taona 1860 no naharesilahatra ny mpikaroka fa tokony  tsy hisaraka intsony ny fitsaboana ny ati-sofina sy ny tenda ary lalana hifandraisany ny orona sy ny maso. Maro ireo aretina mety hahazo ny faritry ny loha ary saropady ka hentanina ny tsirairay mba hanantona mpitsabo matihanina raha misy tranga mampiahiahy... 

Nisy ny antso avo nataon'ny Federasiônan'ny Vehivavy Tantsaha eto Madagasikara na ny FVTM nandritra ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny vehivavy ny 08 marsa lasa teo... 

Amin'ny zava-tsarotra lalovan'ny fiainan'ny mpivady dia ny fifankaherezana sy fifanohanana no lalana tsara indrindra hiatrehana an'ireny sedra samihafa ireny...

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...