Ilaina ny fahafantarana ny tantaram-pirenena mba hisian'ny fahatsaram-piainana, na eo amin'ny ankohonana io, na eo amin'ny fiaraha-monina, na eo amin'ny firenena... Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
Ny fanitsiana ny olona dia zava-dehibe mba hampirindra ny fiaraha-monina. Ny fanitsiana "correction" dia dingana iray tsy maintsy lalaovana vokatry ny fitsarana nataon'ny olona iray na olona maro. Ny sehatra hahitàna sy hampiarana ny fanitsiana dia eo anivon'ny ankohonana, ny sekoly, ny fandraharahana, ary ny fiaraha-monina. Ny fanitsiana, raha ho an'ny mpianatra, dia fanazavana faharoa ireo lesona natao teo aloha. Ny fanitsiana dia tsy tokony hiteraka ratra ho an'izay hiantefany. Raha mizotra araka ny tokony ho izy ny fanitsiana eo anivon'ny ankohonana sy ny sekoly dia mora ny mandrindra ny fiaraha-monina. Ny fanitsiana olona iray dia tokony hifaningotra amin'ny zon'ilay olona voakasika.
Mba hitazomana ny fahasalaman'ny volo sy ny hodi-doha dia tokony hanasa loha in-dray isaky ny herinandro farafaharatsiny, ary tokony ho jerena tsara ny kalitaon'ny savony hampiasaina sy ireo ankora haosotra. Rehefa manasa loha dia ezahina tsara mba tsy hisy rano-tsavony na ankora hafa tavela, noho izany dia atao tsara kobana. Raha vao misy fisehoana zavatra mampiahiahy ny hodi-doha dia tokony hamonjy toeram-pitsaboina...
Manohy ny sehatr'asany any amin'ny distrikan'i Bealalana Faritra Sofia amin'ny fiarovana ny tontolo iainana ny Foibe FAFIALA manana ny foiben-toerany eny Ambohimangakely, distrikan'Antananarivo-Avaradrano. Tetik'asa tanterahana mandritra ity taona ity ary kaominina roa no hanaovana izany...
• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco