Amin'ny maha-reny ny fiangonana dia manabe sy mampita aina ny fiangonana, fa indrindra manoro ny zanany hitory ny Evanjely. Ao amin'ny Laudatu'si dia mirona amin'ny fampandrosoana kokoa ny hafatra ka amin'izany dia hoe : "raha tiana ny hampandrosoana dia omena hasina ny olona tsirairay avy, ary tokony hipaka amin'ny olon-drehetra izany tsy mijery finoana, fiaviana na fahaizana". Farany dia tompon'antoka amin'ny fampandrosoana mba ho lovain-jafy ny olona tsirairay, manaraka ny fampianaran'ny fiangonana miaraka amin'ny fiaraha-monina sy ny fanjakàna.

Ny tontolo misy ny vehivavy reny ankehitry dia feno rotoroto sy ahiahy eo koa ny fisedrana ny fanatontoloana. Ny tontolon'izy ireo dia feno rentirenty sy fahasahiranana. Na eo aza iretsy voalaza iretsy dia tokony tsy  hanadino loatra ny tenany ny vehivavy : ara-sakafo, ny fikarakarana vatana. Ilaina ny mifanatona, tsy mandeha irery. Mila mifankahazo tsara ny olona lahy sy ny vavy. Tsy hakivy dia tokony hahay hijery lafintsara foana isika. Itoeran'adidy lehibe ny vehivavy ka tokony hahery amin'ny famolavolana ny toe-tsain'ny ankohonana. Mila tohanana ny reny : Fifanampiana amin'ny raharaha ao an-trano, eo amin'ny fanabeazana ny taranaka ka mandrisika ny rehetra hitady ny fomba rehetra ary hiomana amin'ny fikarohana zavatra maromaro...

Ny 31 mey  dia andro maneran-tany  tsy hifohana sigara. Ny taova mety ho simba rehefa mifoka sigara ny olona dia maro fa isan'ireny ny avokavoka sy ny taovam-pisefoana. Ny voka-dratsy ny sigara dia mety hakasika ny vatana sy ny taova manontolo : fo, ati-doha, lalan-dra, tosidra ary mety hiafara amin'ny homamiadana. Ny fiankinandoha amin'ny sigara dia vetivety dia haingana be ny fiatraikany. Loza ho an'ny manodidina, izay tsy mpifoka sigara ny fisian'ny olona mpifoka iray. Ny olona te hiala amin'ny sigara dia mila manana finiavana sy faharesen-dahatra anaty. Ny fiankinandoha amin'ny sigara dia azo sitranina. Ny olona te hiala amin'ny sigara dia mila fanampiana amin'ny olona manodidina azy, ara-tsaina sy ara-tsakafo...

Ilaina ny fahafantarana ny tantaram-pirenena fa na ny tantara maneran-tany ihany koa dia torak'izay, satria isika dia efa miaina ao anatin'ny fanatontoloana... Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.

[Miara-dàlana] Zoma 4 jolay 2025

• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...