Tamin'ny fomba fiheverana teo aloha, ny atao hoe aina tamin'ny malagasy dia : lahitokana ny aina ; tsy ananam-piry ny aina ; tavim-bilany ny aina ka tsy hita izay havakisany ; fofon'andro ny aina ka tsy hita izay halevonany. Isan'ny soatoavina malagasy ny fitandrovana ny aina. Ny aina dia avy amin'Andriamanitra, vokatry ny fitiavana. Mety marary ny aina, re ny aina izay zavatra ratsy ahatra aminy. Mba hankamamiana ny aina dia zava-dehibe ny fanabeazana. Tena mbola mankamamy ny aina ny malagasy porofon'izany ny fahitana ireo olona mamonjy tobim-pahasalamana. Ny zava-misy ankehitriny dia voakatry ny fanalana ireo taranja nanabeazana ara-pitsipi-pitondrantena sy fanabeazana ho olom-pirenena.
Mila mitandrina ny olona rehetra satria misy mandavantaona ny covid-19 ary mety ho tratrany daholo ny sokajin'olona rehetra. Marihina fa ity coronavirus ity dia mety hiditra amin'ny : orona, maso, lalan-drivotra, sofina, ary mamonjy ny avokavoka. Rehefa tonga ao amin'ny avokavoka ny tsimokaretina dia miparitaka amin'ny vatana amin'ny alalan'ny lalan-dra. Maro ny taova tafian'io tsimokaretina io. Ny fambara : mikohoka, voan'ny sery, manavy, sempotra, reraka, mangovingovitra, miakatra ny tosi-dra... Ny fahavoazana mety hitranga : mivonto ny fo, marary ny voa, fahasimban'ny sarakaty ka mampihetsika ny toe-batana diabetika, misy tsy fahatomombanana ny saina, marary ny hoditra...
Novoizina nandritra ny taona maro teto Madagasikara ny zezika kankana. Zezika ahazoana vokatra ara-biolojia eo amin'ny fambolena. Isan'ny mampiasa io zezika io ny fikambanana Lanja Miakatra. Nizara fahalalana sy ny traik'efa momba izany ny mpanorina ny fikambanana Ranaivoarison Basile, Papa Bio.
Hanatsarana ny fambolena dia hatao ny fomba rehetra mba hitahirizana ny rano ela indrindra na hanangonana betsaka amin'ny alalan'ny lava voakarakara manokana. Ny fomba hikarakaràna ny lavaka : manao lavaka lehibe sy lalina, mampiasa labasy na sachet matevina, na mandalotra ilay lavaka mba tsy hisy rano hifantsitritra any ivelany, asiana fasika ny lavaka hanampy amin'ny fitahirizana. Azo atao koa ny manao lavaka toy ny volan-tsinana eo anelanelan'ny tanimboly mba hitanana ny hamandoana. Ny zezika kankana no azo antoka fa hampiakatra ny tahan'ny vokatra amin'ny voly vary, ary miezaka mampihatra ireo teknika vaovao. Tokony hanao ezaka hanao voly rakotra ny tantsaha...
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco