Maro ny tranga mamoafady ataon'ny sokajin'olona rehetra. Fanabeazana tsara no vahaolana ahafahan'ny tsirairay mifehy ny fakam-panahy mivoana amin'ny sitrapon'Andriamanitra eo amin'ny lafiny ara-pananahana. Fandaharana momba ny fahaiza-miaina sy mitia, tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco iarahana amin'ny centre Arrupe Madagasikara.
Ny fahefana anaty dia ahitana ireto : ny finoana, ny fanantenana ary ny fitiavana. Ny sakana anaty dia hatarafana ireto : ny fialonana, ny fanaratsiana ary ny fiandaniana. Ny safidy dia anao : na ny fahefana anaty no iainana na ny sakana anaty. Fandaharana "mba ho vanonoa" iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.
Ny sora-tanana dia misy lanjany eo amin'ny fampitàna fahalalana ankehitriny. Na miroborobo aza ny teknôlôjia dia mbola misy lanjany ny sora-tanana. Ny soratra dia fitaovana hifaneraseràna maharitra sy azo tehirizina. Ny sora-tanana dia mampiseho ny maha-izy azy ny olona iray, ahafahana mamantatra ny toetrany ihany koa. Misy fiatraikany mivantana amin'ny mpamaky ny soratra iray. Ny mpampianatra dia tokony ho filamatra amin'ny lafiny ara-tsoratra. Ny mpampianatra ratsy soratra dia mety hatonga ny ankizy ho sahirana amin'ny fianarana ataony, ary mety hatonga azy ho kamo. Ny soratra tsara sy milamina eny amin'ny solaitrabe dia manampy ny ankizy hifantoka sy manampy azy haazo kokoa ny lesona.
Manan-danja lehibe ary tsy maintsy ilain'ny vatan'olombelona iray, mitovy amin'ny rano sy ny sakafo, ny torimaso. Misy fihatraikany ratsy ho an'ny fahasalamana ny tsy fahampian'ny torimaso. Ny faharetan'ny torimaso dia miankina amin'ny toe-batan'ny olombelona iray sy ny asa ataony. Ny zaza 0-3 volana dia maharitra 14-17 ora ny torimasony ; ny ankizy 6-13 taona dia 9-11 ora ; ny tanora 14-17 taona dia 8-10 ora, ary ny olon-dehibe 26-64 taona dia 7 ora hatramin'ny 9 ora ny faharetan'ny torimasony. Rehefa mitombo ny taonan'ny olombelona iray dia miha-antitra koa ny ao anaty atidoha ary misy fihatraikany amin'ny torimaso.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco