Ny safidy atao manoloana tranga isan-karazany dia miteraka vokatra tsara na ratsy ; tsy misy olona hafa tokony ho tompon'andraikitra amin'ny safidinao. Ny safidy dia avy amin'Andriamanitra, indrindra ny fomba fifandraisana eo amin'ny olona roa. Raha tambazana vola na zavatra hafa ny safidy dia midika izany fa fanerena ankolaka, fikatsahana tombontsoa manokana fa tsy tombontsoa iombonana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Mizotra araka ny lamina namaritana azy amin'izao fotoana izao ilay fifaninana karakarain'ny tranoben'ny tantsaha mpamokatra nasiônaly ho an'ireo tantsaha mandraharaha amin'ny fihariana tantely voafantina ho amin'izany. Tanjona amin'ity fifaninanana ity moa ny hitiliana ireo tantsaha mendrika manana hetaheta ampiroborobo ny orinasany amin'izay fihariana tantely izay sy ahamatihaninna azy ireo amin'izay sehatr'asa izay...
Nandray anjara mavitrika tamin'ny Foara Iraisam-pirenena ho an'ny toe-karena eny ambanivohitra na ny FIER MADA andiany faha-25, natao teny Andohatapenaka ao Antananarivo renivohitra ireo fikambanana mandrafitra ny réseau SOA. Nanohana tamin'izany ireo mpiara-miombon'antoka samihafa toa ny FFF FAO. Afapo ireo tantsaha mpikamban'ny Réseau SOA nandray anjara tamin'ny tsenabe.
Miroborobo etsy sy eroa ankehitriny ilay karazana fampiofanana atrehan'ny olona maro na ny " formation de masse". Tsy voafaritra mazava anefa ny fepetra maha fampiofanana azy,indrindra fa ny lasi-panofanana.
• Olon-dehibe mijoro amin'ny finoana sy fanantenana Kristianina, hampanjaka ny fahamarinana sy ny fitiavana eo amin'ny fiarahamonina sy ny tontolo iainana. Io teny manentana ny Andro Nasionaly ho an'ny Olon-dehibe andiany faharoa io no nantintranterin'i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona nandritra ny fanokafana izany tany amin'ny Diosezin'i Morondava... • Samy ao anatin'ny fanatanterahana ny Andron'ny Tanora isan-diosezy ihany koa ny ao amin'ny Diosezin'i Fianarantsoa sy Port-Bergé, izay hifarana ny alahady izao...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco