2 jolay 2024 — Talata, Herinandro Tsotra fahatelo ambin'ny folo Mandavantaona — Fanahy sy fiainana ny teninao, ry Tompo; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 8, 23-27)

Eo amin'ny fomba jody dia Andriamanitra no mitady antsika olombelona, hatrany amin'ny fahariana niainga tamin'ny tsy nisy ka nampisy ny olombelona ; araka ny voalaza ao amin'ny Jenezy 1,26 hoe " andeha isika hanao olona mitovy endrika amintsika. Amin'ny maha mpivavaka antsika, vao ao antsaina ny hoe ivavaka dia misy hevitra momba an'Andraimanitra ao, izay ilay atao hoe antso. Katesizy momba ny vavak'i Abrahama, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.

1 jolay 2024 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahatelo ambin'ny folo Mandavantaona — Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 8, 18-22)

Ny fialonana, ny tsy fanekena an'Andriamanitra dia mety hiafara amin'ny fahafatesana. Ny fialonana nampidirin'ny demony tao amin'ny zanak'olombelona dia niha nahazo vahana ka nahatonga ny olona hankahala ny namany. Manan-danja eo amin'ny fiainan'ny olombelona sy ny kristiana ny vavaka. Tsy maintsy manana ny toetran'olomarina isika mba hahatanteraka ny fahasoavana. Katesizy momba ny vavaky ny olomarina, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...