28 desambra — Efa hatramin'ny taonjato faharoa ny Fiangonana no namarika ny 28 desambra ho fahatsiarovana ireo zaza tsy manan-tsiny novonoin'i Hérode noho ny hatezerana, satria hoe hisy zaza teraka handray ny fahefana amin'ny maha mpanjaka azy.

27 desambra — Zanak'i Zébédée i Jean araka ny filazan'i Masindahy Matio sy i Marka ary i Lioka, ao amin'ny Evanjely. Mpanarato tao amin'ny farihin'i Tibériade izy, ary mpianatr'i Jean-Baptiste taloha, avy eo nanara-dia an'i Jesoa, Ilay Mpamianatra tiany.

26 desambra — I Masindahy Étienne dia iray amin'ireo diakra fito nofidian'ny Apôstôly, mba hanampy azy ireo tamin'ny asa fanirahana sy ny fitoriana natony. Ao amin'ny boky mitantara ny Asan'ny Apôstôly toko fahenina sy fahafito no ahitantsika ny tantaram-piainany amin'ny antsipiriany, amin'izany iraka nataony izany, na ny nifidianana azy ho diakra, na ny nisamborana azy.

25 desambra — Ankalazaina amin'ity andro ity ny nahaterahan'i Jesoa, Ilay Zanak'Andriamanitra, Mpamonjy izao tontolo izao. Ny Evanjelin'ny Masindahy Matio sy Lioka no mitantara io fahaterahan'ny Tompo io. Araka ny voalazan'ny Soratra Masina dia i Maria, zanak'i Anne sy i Joachim avy ao Nazareth sy Galilée no renin'i Jesoa. Ary i Joseph, taranak'i Davida no nitaiza azy. Fofombadin'i Maria i Joseph.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 10 aogositra 2026

• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...