17 febroary 2025 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahenina Mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalànao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 8, 11-13)
Nahatsiaro ny Colonnel Ratsimandrava izay tia tanindrazana ny Malagasy tamin'ny 11 febroary. Zava-dehibe ny fivondronana hiady amin'ny fifankahalàna, entina hisedra ny sakana sy ny ady amin'ny fahantrana. Ny fitsinjovana ny zon'ny ankizy sy ny tanora ary ny fianakaviana dia hafatra lehibe napetraky ny Ray Masina François ; ilaina ny fanasongadinana ny firaisan-kina mba hampandrosoana ny firenena... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
16 febroary — I Masimbavy Julienne dia anisan'ireo malaza tamin'ireo vehivavy virjiny maty martiry noho ny finoana an'i Kristy tao Nicomédie. Nisy tovolahy iray avy amin'ny fianakaviana ambony nangataka azy ho vady. Nampahafantariny an'io tovolahy io fa kristianina izy ary tsy hanambady afa-tsy kristianina.
Môdely ho antsika amin'ny vavaka i Jesoa, ary Izy no mhatonga ny fivavahana kristianina ho fangatahana mahomby. Mivavaka ho antsika i Jesoa, eo amin'ny toerantsika sy ho amin'ny tombontsoantsika. Voaravona indray maka tamin'ny antsony mahery teo amin'ny hazofijaliana sy neken'ny Ray tamin'ny fitsanganany ho velona ny fangatahantsika rehetra... Katesizy momba ny vavaka fototry ny fifandraisan'i Jesoa tamin'ireo mpianany, iarahana amin'i P. Raphaël Eugène Ralison.
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco