06 jona — I Masindahy Norbert dia teraka tao Xanten, tanana kely ao Rhénanie, manodidina ny taona 1080. Taranaka amperora ny ray aman-dreniny avy ao Allemagne sy Lorraine. Mbola tanora izy dia efa nanana andraikitra tao am-piangonana nefa tsy nahatohitra ny fironany tany amin’ny rendrarendran’izao tontolo izao izany andraikitra noraisiny izany.
André dia avy any Betsaida, ary rahalahin'i Simona-Piera, mpanarato tahaka azy koa. Mpianatr'i Joany Baptiste izy io ary izy no iray amin'ireo roa mpianatra voalohany nanaraka an'i Jesoa. Jakôba : ilay lehibe na zokiny sy Joany zanak'i Zebede, mpanarato tao amin'ny reniranon'i Tiberiady ihany koa, nanaraka an'i Jesoa tsy nisalasala, nomen'i Jesoa fanampin'anarana hoe "zana-baratra"... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
05 jona — I Masindahy Boniface resahana eto dia ilay arseveka tao Mayence, maty martiry tamin’ny 754. Teraka tao Crediton tao Angletera tamin’ny 680 i Masindahy Boniface fa mbola Winfrid moa no anarany tamin’izany. Nisy aretina nahery vaika nahazo azy tamin’izany fotoana izany. Izy anefa efa naniry handeha hiditra hitoka-monina fa tsy navelan’ny ray aman-dreniny.
I Jesoa Kristy no nanorin ny Eglizy tamin'i Piera sy ny Apôstôly, Kristy no lohany ary i Piera no filohany hita maso miaraka amin'ireo Apôstôly 12 lahy, izay vato fototra. Nanana fahefana tsy azo nolavina ny Apôstôly teo amin'ny Eglizy satria nomen'i Jesoa azy ireo izany, ary nampiariny tamin'ny alalan'ny fiaraha-mitantana ; ireo eveka amin'izao fotoana izao no dimbin'ireo... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
• Notanterahina omaly teo amin'ny kianja Lycée Technique Marie Auxiliatrice Ivato, ny famaranana ny fankalazana ny faha-40 taona nahatongavan'ny Masera Filles de Marie Auxiliatrice teto Madagasikara... • Fankalazana maro sosona no notanterahina tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana omaly... • Tanim-boaloboka tsy maintsy kolokoloina amim-pahamarinana ny Eglizy, hoy ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco