Talata 10 desambra 2019 - Herinandro faharoa amin'ny Fiavian'ny Tompo.
Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 18, 12-14.
Tsy misy avelan'Andriamanitra ho very na iray aza. Sarobidy aminy ny tsirairay ka raha misy ny mania, tsy avelany fa tadiaviny. Indro ny avy ny Mpanjaka Tompon'ny tany ary Izy no hanafaka antsika amin'ny ziogam-panandevozana.
Tokony hamindra-fo sy hanetry tena ny raim-pianakaviana, hoy ny fampianaran'ny Papa François, ary tokony hanam-paharetana izy ireo amin'ny fanabeazana ny zanany. Tohin'ny katesizin'ny Papa François momba ny fianakaviana, ataon'i P Justolt E. Rafaralahimboa:
Alatsinainy 09 desambra 2019 - Herinandro faharoa amin'ny Fiavian'ny Tompo.
Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 26-38.
Mankalaza manetriketrika an'i Masina Maria notorontoronina tsy azon-keloka, Mpiaro voalohany an'i Madagasikara isika izao. Ny nahatorontoronina an'i Jesoa tao an-kibony ny Evanjely amin'izany.
« Mila ray ny fianakaviana tsirairiray », hoy ny Papa François. Ny ray manam-pahendrena dia tokony hampianatra ny zanany hiaina ny amim-pahendrena sy hiteny amim-pahitsiana. Tokony hahay hampita ireo lova ireo ny ray. Tohizantsika ny katesizin’ny Papa François momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Justolat E. Rafaralahimboa.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco