Talata 30 jona 2020 — Herinandro faha-13 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 8, 23-27 — Fanahy sy fiainana ny teninao, ry Tompo ; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.

0 : 00

Niara-dia tamn’ireo mpianany i Jesoa tao anaty sambo kely, hany ka rendri-torimaso. Nandritra izay indrindra no nisy tafio-drivotra mafy ka raiki-tahotra ireto mpianatra ka tsy maintsy namoha anʼi Jesoa. Noho ny tahotrʼizy ireo dia nandidy ny rivotra sy ny ranomasina i Jesoa mba hitony. Tsapanʼi Jesoa tamin’izany àry, fa mbola kely ny finoanʼireto mpianany. Izy ireo izay nahita Azy nanasitrana ny marary sy nandroaka demony, ary fantatrʼizy ireo tsara fa zanakʼAndriamanitra, nefa dia mbola natahotra izy ireo na dia teo akaiky teo àry i Jesoa. Aiza marina àry ny finoanʼizy ireo ?

Miantefa amintsika kristianina ihany koa izany fanontaniana izany eo anatrehanʼireo zava-tsarotra sy manahirana eo amin’ny fiainantsika. Miantso antsika àry, i Jesoa, mba haharitra ao amin’ny finoana eo am-panarahan-dia Azy, na amin’ny sarotra na amin’ny mora. Ny fandresenʼi Kristy teo amin’ny ranomasina dia tandindona sahady ny fandreseny ny ratsy sy ny fahafatesana. Aza adinoina àry, fa eo anivontsika mandrakariva i Jesoa ary tsy mamela antsika ho irery. Noho izany, tsy tokony hino fotsiny Azy isika fa hatoky tanteraka mihitsy. I Jesoa akory tsy natao mba hanao fahagagana ho antsika fa ho Tomponʼny voaary rehetra.

Matokia àry isika fa manala antsika amin’ny tahotra sy manampy antsika amin’ny sarotra i Jesoa. Izy tokoa no hiankinantsika eo amin’ny fiainana.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...