Harena sarobidy ny fiadanana sy fandriam-pahalemana, hoy ny Papa François, amin’ny hafatra ho an’ny fankalazana ny ny andro maneran-tany hivavahana ho an’ny fiadanana sy fandriampahalemana, ny 01 janoary 2020, izany nampitondrainy ny lohateny hoe : « Ny fiadanana, lalan’ny fanantenana : fifanakalozan-kevitra, fampihavanana ary fibebahana ho amin’ny hai-voahary».
Talata 31 desambra 2019 — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 1, 1-18 — Ny teny dia tonga nofo ka nonina taty amintsika. Izay rehetra nandray Azy dia nomeny fahasoavana ho tonga zanak’Andriamanitra.
Alatsinainy 30 desambra 2019 — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 2, 36-40 — Imbetsaka Andriamanitra no niteny tamin’ny razantsika... nony farany, ny Zanany mihitsy no itenenany amintsika.
Alahady 29 desambra 2019 — Fianakaviana Masina — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 2, 13-15. 19-23 — Hanjaka ao am-ponareo anie ny Fiadanan’i Kristy, ary hitoetra be dia be ao anatinareo ny Tenin’i Kristy.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco