Ny Fanahy Masina no loharano sy fototry ny fiombonana ary iry voalohany no mampiombona ny kristianina ho tena iray, ho Eglizy. Ny fanomezan'ny Fanahy Masina dia tsy natao ho an'ny tenan'izay mandray fa hanasoavana ny hafa, handrafetana ny fiombonana. Ny firaisan'ny Kristianina dia fanehoana mafy ny maha eo anivon'izao tontolo izao an'i Kristy... Katesizy momba ny vavaka ho an'ny firaisan'ny Kristianina, iarahana amin'i P. Tina Jeannot Ranaivozanany.
1 marsa 2025 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahafito Mandavantaona — Misaotra Anao Aho, ry Raiko Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 13-16)
28 febroary — Zanak'olona fanta-daza tamin'ny fahamendrehana i Romain sy Lupicin. Mpirahalahy iray tampo izy ireo ary teraka tamin'ny faraparan'ny taonjato fahefatra.
Ny fanavakavahana, ny fitsitokotokoana, ny fisaratsarahana dia fositra manimba ny firaisan'ny Kristianina. Ny maha kristianina dia tsy mijanona amin'ny tena samirery fa mifandray sy miombona amin'ny samy Kristianina "dimension ecclésiale" fa eo koa ny fiombonana maneran-tany "Eglise universelle". Ny tena fiombonana dia tsy isika anatiny fotsiny ihany... Katesizy momba ny vavaka ho an'ny firaisan'ny Kristianina, iarahana amin'i P. Tina Jeannot Ranaivozanany.
• Manatanteraka fitsidihana any amin'ny Diosezin'i Mananjary ankehitriny, ny Nonce Apostolique an'i Madagasikara. Ao anatin'izany no hankalazana ny faha-150 taonan'ny Fikambanana Société du Verbe Divin... • Mpivahiny masina miisa 4.500 no niatrika ny JMJ tao amin'ny Diosezin'i Fianarantsoa, izay nifarana ny alahady lasa teo... • Tsy ny manome ihany, fa ny fianarana mangataka ihany koa ny fitiavana, hoy ny Papa Léon IXV tamin'ny fampianarany ny alarobia 3 septambra 2025, tao anatin'ny Audience générale...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco