27 jona — Niaina tamin’ny taona 376 hatramin’ny 27 jona 444 i Cyrille. Notendrena ho patriarka handimby an’i Theophile izy ny 17 oktobra 412. Nafana fo tamin’ny ady manohitra ireo fampianaran-diso momba ny finoana izy, nakatony ny fiangonan’ireo novatiens, ary nenjehany ireo Jiosy tao an-tanana.
Mitovy zo sy hasina ny olombelona rehetra eo anatrehan'Andriamanitra sy ny Fiangonana satria samy voaantso ho amin'ny Fahamasinana daholo na ny Eveka, ny Pretra na ny Diakra na ny Relijiozy na ny lahika. Na dia misy aza ireo voahosotra amin'ny laharana maha Eveka, maha Pretra sy maha Diakra dia ny andraikitra no tsy mitovy raha mitaha amin'ny Lahika fa ny antso dia mitovy... Katesizy momba ny Lahika, iarahana amin'i P. Aurelien Rarivoson.
26 jona — Nataon’ny Fiangonana hatsiarovana an’i Masindahy Jean sy Paul, martiry niaina tamin’ny taonjato fahefatra, ny andro androany. Mpirahalahy i Jean sy i Paul, zanak’olona ambony saranga teo amin’ny fiaraha-monina izy mirahalahy ireto. Nitoetra tao Roma izy ireo ary niasa tao amin’i Constance zanakavavin’ny amperora Constantin.
Ny antsoina hoe : lahika dia ny kristianina rehetra tsy nandray ny Sakramentan'ny Filaharana ary tsy anatin'ny Fikambanan-dRelijiozy ankatoavin'ny Fiangonana. Izay rehetra vita Batemy ka iray amin'i Kristy sy ny Fiangonany tonga Mpisorona, mpanjaka ary mpaminany noho ny hasin'ny Batemy, ivelan'ny Sakramentan'ny Filaharana Masina sy ny satan-dRelijiozy, indrindra miasa sy mandray andraikitra... Katesizy momba ny Lahka, iarahana amin'i P. Aurelien Rarivoson.
• Notanterahina omaly teo amin'ny kianja Lycée Technique Marie Auxiliatrice Ivato, ny famaranana ny fankalazana ny faha-40 taona nahatongavan'ny Masera Filles de Marie Auxiliatrice teto Madagasikara... • Fankalazana maro sosona no notanterahina tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana omaly... • Tanim-boaloboka tsy maintsy kolokoloina amim-pahamarinana ny Eglizy, hoy ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco