Alatsinainy 16 marsa 2020 — Herinandro fahatelo amin'ny Karemy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 4, 24-30 — Aza manamafy ny fonareo ianareo anio, aoka hihaino ny feon'ny Tompo.
Alahady 15 marsa 2020 — Alahady fahatelo amin'ny Karemy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 4, 5-42 — Ianao tokoa no mpamonjy an'izao tontolo izao, ry Tompo, ka omeo amin"izany rano izany re aho, mba tsy hangetaheta intsony.
Sabotsy 14 marsa 2020 — Herinandro faharoa amin'ny Karemy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 15, 1-3. 11-32 — Hitsangana aho ho any amin'ny raiko, ka hanao aminy hoe : Dada ô, nanota tamin'ny lanitra sy teo anatrehanao aho.
Zoma 13 marsa 2020 — Herinandro faharoa amin'ny Karemy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 21, 33-43. 45-46 — Toy izao no nitiavan'Andriamanitra an'izao tontolo izao : nomeny ny Zanany Tokana ; ka hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy.
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco