Ny tody tsy misy fa ny atao no miverina, misy farany ny zavatra rehetra, ny mahantra mbola hanana. Zava-dehibe ny fifamelàna, ny fahaiza-mihaino sy ny fifampitondrana am-bavaka. Manana adidy ny mpitondra manam-pahefana sy ireo mpanana hitsinjo izay rehetra hanarenana ny fiainan'ny vahoaka : famoronana asa. Manana adidy hanova sy hampivoatra ny toe-tsaina entina hitrandrahana ny harena nomen'Andriamanitra an'i Madagasikara, isika Malagasy rehetra... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Ny relijiozy dia manao ny voadin'ny fahantrana an-tsitrapo ; i Kristy, ilay nanaiky hahantra mba hampanan-kerena antsika amin'ny fahantrany, araka ny ambaran'i Masindahy Paoly ao amin'ny Taratasy faharoa ho an'ny Kôrintianina. Ny fiankinan'ny relijiozy amin'ny Lehibeny amin'ny fampiasana ny harena dia fanehoana ny fahantrana... Katesizy momba ny relijiozy, iarahana amin'i P. Eric Franck Randriamiandrinirinarivo.

Alahady 13 jolay 2025 - Alahady faha-15 mandavantaona — "D" : Akaiky antsika Andriamanitra ; Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko; ary hankao aminy izahay ka honina ao aminy. Zava-poana ny fanarahana ny lalàna anefa tsy mahavita manolontena ho fanasoavana ny hafa ; ilaina ny fitiavana namana, sy ny fangorahana ny hafa. Ny tena fitiavana marina dia ny fanafohanana ny elanelana, tsy fitoviana na harena na fahefana. Mila fanatrentena ny fitiavana ny hafa. Ny namana tsara dia ireo izay mikaraka ny hafa, ireo maneho hatsaram-po, ireny no miteraka fifankatiavana sy finamanana lafatra...

Ny fanoloran-tena amin'ny fiainan-drelijiozy dia fanapahan-kevitra hanaraka an'i Jesoa Kristy akaikikaiky kokoa sy hanahaka ny fiainany madio, mahantra sy manetry tena. Ny Voady telo (fahadiovana natokana ho an'Andriamanitra, fahantrana ary fanekena) no maha-relijiozy. Tamin'ny alalan'ny torohevitry ny Vaovao Mahafaly no nampijoroana ny rafi-piainana maharitra... Katesizy momba ny relijiozy, iarahana amin'i P. Eric Franck Randriamiandrinirinarivo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 5 ôktôbra 2026

• Notanterahina omaly teo amin'ny kianja Lycée Technique Marie Auxiliatrice Ivato, ny famaranana ny fankalazana ny faha-40 taona nahatongavan'ny Masera Filles de Marie Auxiliatrice teto Madagasikara... • Fankalazana maro sosona no notanterahina tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana omaly... • Tanim-boaloboka tsy maintsy kolokoloina amim-pahamarinana ny Eglizy, hoy ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...