22 marsa 2025 — Sabotsy, Herinandro Faharoa amin'ny Karemy — Hitsangana aho ho any amin’ny raiko, ka hanao aminy hoe: “Dada ô, nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho.” — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 15, 1-3. 11-32)

21 marsa — Niaina tamin'ny taonjato faha-12 i Clémence, rehefa maty ny vadiny izay comte tao Spanheim dia nozarainy tamin'ny mahantra ny fananany ary lasa izy niditra tao amin'ny fikambanan'ny Bénédictines tao Trèves, tao Rhénanie Allemagne, ary tao izy no nodimandry ny 21 marsa 1176.

21 marsa 2025 — Zoma, Herinandro Faharoa amin'ny Karemy — Toy izao no nitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao: nomeny ny Zanany Tokana; ka hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 21, 33-43. 45-46)

20 marsa — Zanaky ny manam-boninahitra tao amin'ny tafik'i Clovis faharoa i Wulfran. Rehefa maty ny rainy dia niala tao amin'ny toby izy ka nozarainy tamin'ny mahantra ny fananany ary nomeny an'ireo mpitoka-monina tao Fontenelle ny taniny.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 1 septambra 2025

Hafatra avy amin'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Rariny sy ny Fiadanana eto Madagasikara, ao anatin'izao volana natokana ivavahana sy handraisana an-tanana ny tontolo iainana izao... Manentana ny olon-dehibe rehetra hikajy ny tontolo iainana, hahay hifandray amin'ny hafa ary hitondra tsirim-panantenana ho an'ny rehetra, ny Hafatra avy amin'ny JNA andiany faharoa, notanterahana tany amin'ny Diosezin'i Morondava... Niantso ny rehetra hanana fanetren-tena ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...