Zoma 22 oktobra 2021 — Herinandro fahasivy amby roapolo mandavantaona — Asehoy ny mpanomponao ny tavanao, ary ampianaro ahy ny fitsaranao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 12, 54-59

Manentana antsika ny Papa François mba hitondra am-bavaka ny sinaodin'ny eveka (2021-2023), momba ny lohahevitra hoe : "Eglizy miara-dia : fiombonana, fandraisana anjara, asa fanirahana"

Miainga amin'ny fampianaran'ny fiangonana dia misy ny mitady ny fiainam-panahy ohatra ny fikambanana masina na ny relijiozy. Iainana ao anatin'ny fikambanana ny aim-panahy : fitiavam-bavaka, fandalinana ny finoana. Ny ara-nofo kosa dia ny fiahiana manokana ireo sahirana amin'ny alalan'ny vaomiera sosialy. Katesizy momba ny fanehoana harem-panahy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

Alakamisy 21 oktobra 2021 — Herinandro fahasivy amby roapolo mandavantaona — Mahatoky ny lahatrao, ry Tompo, ary mafy orina mandrakizay alaovalo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 12, 49-53

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...