Manentana antsika ny Papa François mba hitondra am-bavaka ny sinaodin'ny eveka (2021-2023), momba ny lohahevitra hoe : "Eglizy miara-dia : fiombonana, fandraisana anjara, asa fanirahana"

Ry Fanahy Masina ô,
indreto izahay tafavory eto anoloanao amin’ny anaranao.

Miaraka aminao izahay mba hanoro dia anay,
Ataovy tonga trano fonenanao ny fonay,
Ampianaro anay ny làlana tokony arahina sy ny fomba anarahana azy.

Osa sy mpanota izahay
Ka aza avela hivoy ny fanakorontanana
Aza avela hitarika anay ho any amin’ny làlan-dratsy ny tsy fahalalàna
ary ny asanay mba tsy ho any amin’ny fitsitokotokoana.

Ataovy mahita ny fiombonana ao aminao izahay,
Mba ho afaka hiara-mizotra mankany amin’ny fiainana mandrakizay
ary tsy hiala ny làla-marina sy mahitsy.

Izany rehetra izany no angatahanay aminao
izay miasa amin’ny toerana sy ny fotoana rehetra,
miaraka amin’ny Ray sy ny Zanaka,
amin’ny taona rehetra mandrakizay.

Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...