Alarobia 15 desambra 2021 — Herinandro fahatelo amin'ny Fiavian'ny Tompo — Tongava, ry Tompo, ary aza ela: vahao ny fatoran’ny vahoakanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 7, 19-23
Tsy mitovy fa arakaraka ny Fivondronamben'ny Eveka isa-pirenena ny rafitry ny dingam-piofanana maha-pretra. Amin'ny ankapobeny eto Madagasikara, aorian'ny bakalorea, miofana mandritra ny sivy taona ny tanora iray vao miroso amin'ny sakramenta fandraharahana masina ho Diakra. Katesizy momba ny antso ho amin'ny fandraharahana masina "fiofanana", iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
Talata 14 desambra 2021 — Herinandro fahatelo amin'ny Fiavian'ny Tompo — Mitadiava ny Tompo dieny mbola mety ho hita Izy; miantsoa Azy dieny mbola akaiky Izy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 21, 28-32
Hevitra roa no afahana manazava ny hoe "fiofanana" eto : ny mikasika ny dingam-piofanana ary ny mikasika ireo andry efatry ny fiofanana maha-pretra (ara-pastoraly, ara-pahalalana, ara-panahy, ny lafiny maha-olona). Katesizy momba ny antso ho amin'ny fandraharahana masina "fiofanana", iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco