Sabotsy 9 jolay 2022 — Herinandro fahefatra ambin'ny folo mandavantaona — Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 10, 24-33
08 jolay — Zanak’i Bouchard de Marly sy Matilde de Châteaufort, zafikelin’ny mpanjaka Louis VI, i Thibaut. Teraka tao Marly izy, ary toy ireo zanak’andriana rehetra dia nahazo fanabeazana ho miaramila fa tao amin’ny tontolo tena kristianina. Mbola kely izy dia efa nanana fanajana manokana an’i Maria Virjiny izay nambarany fa reny tsara sy mpampianatra malalany.
Ny fitsipi-pitondrantena dia tokony hanaja famarinana : alaviro ny fanaparam-pahefana, ny fangalarana hetra, ny ala-tahaka eo amin'ny taratasy misolo vola, ny fanovana ny taratasy filazam-pandoavana. Manoloana ny andraikitra raisin'ny tsirairay dia tsy mety ny "asa zara fa vita". Mba hanasongadinana ny soa iombonana dia alaviro ny fandaniana mihoatra ny tokony ho izy. Katesizy momba ny haren'ny tany, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Zoma 8 jolay 2022 — Herinandro fahefatra ambin'ny folo mandavantaona — Hamirapiratra tahaka ny fahazavan’izao tontolo izao ianao, raha mitana ny tenin’ny fahamarinana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 10, 16-23
• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco