Sabotsy 3 septambra 2022 — Herinandro faharoa amby roapolo mandavantaona — Asehoy ahy, ry Tompo ny lalanao, ary tariho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 6, 1-5
Mampirisika ny tanora tsy ho kivy amin'ny fiainana i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina. "Fenoy an'i Jesoa Kristy ny fiainana, n'inona mitranga. Halalino ny finoana, ary aoka tsy hatahotra ny amin'ny maha-kristianina katolika", hoy izy, tamin'ireo tanora nandray anjara tamin'ny JMJ Mada andiany faha-10. Nanentana ireo tanora izy mba hijoro amin'ny maha-izy azy sy ho mendrika hitokisana. Katesizy nataon'i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina, ny 01 septambra 2022, JMJ Mada X, Antsirabe.
02 septambra — I Masimbavy Ingrid dia zafikelin’ny mpanjaka tao Suède, zanak’i Knut mantsy ny reniny. I Knut io ilay mpanjaka tao Suède. Rehefa maty ny vadin’i Ingrid dia nandeha nanao fivahinianana tany amin’ny Tany Masina izy.
Zoma 2 septambra 2022 — Herinandro faharoa amby roapolo mandavantaona — Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo, tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 5, 33-39
• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco