Sabotsy 3 septambra 2022 — Herinandro faharoa amby roapolo mandavantaona — Asehoy ahy, ry Tompo ny lalanao, ary tariho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 6, 1-5

Zava-dehibe mamaritra ny finoana Jody ny lalana, izay mamaritra ny fomba tokony hitandrovana ny sabata, andro voatokana ho an’Andriamanitra ka tsy azo anaovana na inona na inona. Tamin’ny Evanjely henontsika teo anefa, dia ny mpianatr'i Jesoa mihitsy no manao zavatra mandika izay raran’ny lalana momba ny sabata. Tsy hoe baiko avy amin'i Jesoa akory fa toe-javatra itondran'i Jesoa fampianarana, mba hatsapan'ireto Farisiana ny kendren’Andriamanitra momba ny lalana napetrany ary indrindra indrindra ny hahalalan'izy ireo hoe "iza marina ity Jesoa ity ?"

Fihetsika ihany no nataon’ny mpianatr'i Jesoa, fa ny zava-dehibe raketiny dia ny hoe : "raha noana ny vatana", mila tohanana, ary ny aina no ambon’ny zavatra rehetra. Ny ahavelona antsika no tanjon’ny lalana omen’Andriamanitra antsika olombelona, hahaizantsika mifanampy sy mikolokolo ary miaro ny aina. Ho an’Andriamanitra, dia ny aina no ambon’ny zavatra rehetra, antony nakan'i Jesoa nofo toa antsika sy ny nitsanganany ho velona, hahavelona ny olombelona rehetra ao amin’Andriamanitra. Fomba vaovao atoron'i Jesoa, iainantsika ny lalana izany, mba iainantsika koa ny fomban’Andriamanitra.

Ny fararoa, miharihary tamin’ny Evanjely teo ny tsy finoan'ireto Farisianina an'i Jesoa. Raha nandray an'i Jesoa ho ilay Mesia nampanantenaina izy ireo dia nande sy nanaraka izay nampianariny. Izy ireo anefa no ilay vahoaka voafidy, nahalala ny fomba entin’Andriamanitra mamonjy ny olombelona rehetra, nanomboka hatram’ny fifidianana azy ireo ka hatramin'i Kristy, ilay fahatanterahan’ny lalana sy ny mpaminany. Ao amin'i Kristy no lavorary sy tanteraka ny famonjena antsika olombelona. Noho izany ao Aminy no iorenan’ny finoana. Ny finoana no manokatra ny fo amam-panahintsika handray sy hanatanteraka izay ambaran’Andriamanitra antsika, ary ireny no mampiroso lalindalina antsika hanatona an’Andriamanitra.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...