Ny vondron'olona ihany koa dia tokony hiaina ao anatin'ny fahaizana mandanjalanja. Ilaina toe-po sy toe-piainana izany ka isan'ireny : finoana sy fiainam-bavaka, faharesen-dahatra, fahavononana hifandray amin'ny hafa. Ireto no dingana tokony harahina : famelomana ny vondron'nyy fiainam-pinoana amin'ny vavaka, mametraka ny fahaiza-mihaino ny hafa... Katesizy momba ny fanomezam-pahasoavana fahaizana mandanjalanja, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.

Alahady 30 ôktôbra 2022 — Alahady Tsotra faharaika amby telopolo Mandavantaona — Hataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 19, 1-10

29 ôktôbra — Teraka ny 09 jona 1837 i Michel Rua. Zaza farany amin'ny sivy mianadahy nateraky ny ray aman-dreniny izy. Tamin'ny taona 1852 izy no niditra tao amin'ny Oratorio tao Valdocco. Indray andro dia niteny taminy i Don Bosco fa mifameno izy ireo. Izy no anisan'ireo nilazan'i Don Bosco voalohany ny hananganana ny fikambanana salezianina.

Mila ampifanatrehana ny antony manosika antsika hanao zavatra iray na ny antony tsy manosika antsika. I Jesoa Kristy maty sy nitsangan-kovelona no masontsivana fototra. Tsara homarihana fa tsy azo atao ny maka fanapahan-kevitra raha ao anatin'ny hafaliana sy alahelo, tokony ho ao anaty fitoniana hatrany. Katesizy momba ny fanomezam-pahasoavana fahaizana mandanjalanja, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...