Alahady 30 ôktôbra 2022 — Alahady Tsotra faharaika amby telopolo Mandavantaona — Hataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 19, 1-10

Azo anatsoahana lesona mafonja ho antsika ankehitriny ny tantaran’i Zake, lehiben’ny mpamory hetra. Lesona voalohany amin’izany dia ny hoe : "tsy mifidy tavan’olona hovonjena Andriamanitra", hainy ny manova ny fon’ny olombelona na inona na inona anjara toerany eo amin’ny fiaraha-monina, na toy inona ny fitondran-tenany.

Lesona faharoa : "Azo alain-tahaka ny dingana nataon’i Zake".

Dingana voalohany ny fahalianana ny hahita an’i Jesoa. Liana dia liana i Zake satria nanaitra azy fatratra ny teniny. Holiana mandrakariva ny hahita an’i Jesoa isika rehefa zatra mifampikasokasoka amin’ny Teniny.

Dingana faharoa : mila mandresy ny henatra manoloana ny kileman’ny tena rehefa hanatona an’i Jesoa Kristy (hafohy na halavana, na mahia na bota…) ; mila mandresy ny fitiavam-boninahitra ihany koa rehefa hitady an’i Jesoa Kristy.

Dingana fahatelo : Mila vonona mandrakariva ny handray an’i Jesoa ao amin’ny fiainantsika isika. Fihetsika roa no nasehon’i Zake eto, dia ny hafainganana ny handray an’i Jesoa Kristy sy ny hafaliana nananany eo am-pandraisana Azy.

Dingana fahefatra sady farany : Mitaky fiovan-toetra ny fihaonana amin’i Kristy : mila manova ny fomba fampiasana ny haren’ny tany i Zake ka amin’ny fisokafana amin’ny hafa, indrindra ireo mila fanampiana be indrindra, no niantefan’ny sainy ; mila mitandro ny rariny sy ny hitsiny ihany koa izy eo amin’ny adidy aman’andraikitra sahaniny eo anivon’ny fiaraha-monina.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...