Andriamanitra Ray, Zanaka, sy Fanahy Masina irery no hany Tompo Tokana mila tiavina sy tsaohana ary ivavahana satria Izy no Mpahary sy Mpanavotra ary Mpanamasina antsika olombelona. Efa nodiovin'ny Ran'i Kristy izao rehetra izao ary efa nametrahany ny Fanahiny ny Eglizy mba hizoran'ny fiainan'ny zanak'olombelona ho amin'ny fahasambarana tanteraka. Katesizy momba ny fitsaohana an'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotoarisoa Sedera Joseph.

Alahady 13 nôvambra 2022 — Alahady Tsotra fahatelo amby telopolo Mandavantaona — Miambena ary mivavaha mandrakariva mba ho mendrika hitsangana hiseho eo anatrehan’ny Zanak’olona ianareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 21, 5-19

12 nôvambra — I Masindahy Josaphat dia Ivan Kountsevitch no tena anarany, teraka tao Volhynie ny taona 1584. Mbola zaza , na sakan-jaza izy tamin'ny fotoanan'ny Union de Brest ny taona 1596. Tamin'izany fotoana izany dia niankina mivantana tamin'i Rome ny ampahan'ny Fiangonana tao Ukraine, izay nanome ny Fiangonana greco-catholique na Église ruthène.

Ny Bokin'ny Detoronomy dia milaza amintsika mazava hoe "henoy ry Israely : ny Tompo Andriamanitrao no hany Tompo Tokana. Tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra, amin'ny fanahinao rehetra ary amin'ny herinao rehetra. Mila tia an'Andriamanitra tokana isika, mila mitsaoka Azy ao amin'ny Sakramenta Masina. Katesizy momba ny fitsaohana an'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotoarisoa Sedera Joseph.

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...