Ny Sakramenta : maro no hevitra fonosiny indrindra ny misterin'ny Sakramentan'ny Batemy sy ny fampianarana mifandraika aminy. Avy amin'ny teny latinina hoe " sacramentum" izy io, midika hoe fandraisana an-tanana na raha amin'ny teny frantsay izy dia hoe " engagement". Ny teny grika dia mandika azy hoe "mysterion" midika hoe mistery. Katesizy momba ny batemin'i Jesoa, iarahana amin'i P. Rafaralahomboa Justolat.
22 nôvambra — Niaina tao Rome i Masimbavy Cécile tamin'ny fanombohan'ny taonjato fahatelo. Zanak'andriana manamboninahitra nalaza tamin'ny andro nanjakan'ny amperora Alexandre Sévère izy. I Cécile irery ihany no kristianina tao amin'ny fianakaviany. Nanokan-tena ho an'Andriamanitra izy, ary nitandro ny fahadiovan'ny vatany.
Taorian'ny Batemy i Jesoa no nanomboka niseho ampahibemaso ary nanatanteraka ny nanirahan'ny Ray Azy, izany hoe nanomboka nitory ny Vaovao Mahafaly. Ny fihetsik'i Jesoa manaiky ny ataon'i Joany Batemy dia maneho ny fanetren-tena lalina izay toetra anisan'ny hampianarany antsika. Raha tsy ateraka indray amin'ny rano sy ny Fanahy Masina isika dia tsy hiditra amin'ny Fanjakan'Andriamanitra. Katesizy momba ny batemin'i Jesoa, iarahana amin'i P. Rafaralahomboa Justolat.
Talata 22 nôvambra 2022 — Herinandro Tsotra fahefatra amby telopolo Mandavantaona — Miambena ianareo ary aoka ho vonona: fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’Olona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 21, 5-11
• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco