Talata 22 nôvambra 2022 — Herinandro Tsotra fahefatra amby telopolo Mandavantaona — Miambena ianareo ary aoka ho vonona: fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’Olona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 21, 5-11

Ambaran’i Jesoa ao amin’ny Evanjely fa misy fetrany daholo ny zavatra rehetra misy eto an tany. Fa tsy tiany kosa anefa raha ny finoantsika no hanam-petra tahaka ity tempoly izay voaravaka vato tsara sy fanatitra sarobidy. Tsy nahafaly an’ireo Jody no nandre izany tenin'i Jesoa izany fa hoe ho rava ilay Tempoly ka nahatonga azy ireo hanameloka Azy. Ho azy ireo mantsy dia heveriny fa faniratsirana an’Andriamanitra izany. Asehon'i Jesoa àry, fa tsy ny trano vato izay hivavahana akory no tokony hiraiketantsika ao am-po fa Izy izay hany tokana Tompo sy Mpamonjy. Henontsika amin’ny haino aman-jery fa misy ireo trano fiangonana izay misy manapotika sy mandoro fa ny finoan’ireo kristianina ao anefa dia tsy ho levona mihitsy na dia misy aza ny alahelo amin’izany tranga izany.

Mampitandrina antsika koa i Jesoa, mba ho mailo manoloana ireo mpaminany sandoka izay milaza ho mahalala ny fotoana haharavan’izao tontolo izao. Andriamanitra irery ihany anefa no mahalala izany. Tsy tokony hampatahotra antsika akory anefa izany satria i Jesoa Mpamonjy no ho avy amim-boninahitra indray. Tokony hararaotina àry, ny fotoana mba hanomanantsika izany. Rehefa tena mifikitra amin’Andriamanitra isika dia tsy handany fotoana hamantatra izay famantarana manambara ny fiafaran’izao tontolo izao. Mivonona sy mivavaha àry, fa tsy fantantsika na ny andro na ny ora hiavin'i Kristy, ilay andrasantsika.

Tompo ô, aza avela hisaraka Aminao izahay fa Ianao no hany Mpamonjy anay.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...