Ny tena mpianatr'i Kristy, mitondra ny anarana kristiana dia sahy maneho ny fitiavan'Andriamanitra amin'ny olona rehetra, indrindra ireo tsy manan-tsiny sy marefo. Taratry ny fitiavana ny hoe : fa aoka hianareo samy halemy fanahy amin'ny namany avy, ka hifampiantra sy hifamela heloka, toraka ny namelan'Andriamanitra anareo ao amin'ny Kristy. Katesizy momba ny fitiavan'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.
Alahady 12 febroary 2023 — Alahady Tsotra fahenina Mandavantaona — Taona A — Fanahy sy fiainana, ry Tompo, ny teny voalazanao. Ianao no manana ny teny fiainana mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 17-37)
Ny Batemy dia mandrisika ny kristiana amin'ny fahehoana halemem-panahy, ny fahasahiana miteny sy mananatra am-pitiavana, fijoroana amin'ny fahamarinana. Tsy azo atao mihitsy ny milona ao anatin'ny toe-javatra ratsy anefa mitondra ny anaran'i Kristy. Endriky ny fitiavan'Andriamanitra isika rehetra eo amin'izay hatao, mila atambatra ny hery hiasa ho fanehoana izany fitiavana izany. Katesizy momba ny fitiavan'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.
Sabotsy 11 febroary 2023 — Herinandro Tsotra fahadimy Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 8, 1-10)
• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany, ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco