Nanomboka tamin’ny Konsily tao Vienne, France (1311-1312), faha-Papa Clémént V, dia nofoanana ny «Ordre» atao hoe «des Templiers» izay karazana moines sady miaramila mpiady, miaro ny Tany Masina sy nanohitra ireo fahavalon’ny finoana (izany efa nahazo fankatoavan’ny Papa ny 29 Mars 1139). Io Konsily io koa no nanameloka ny fahadisoan’ireo Beguards momba ny fampianarany mikasika ny fahalavorariana ara-panahy. Nambara mazava àry fa ny fanahin’ny olona dia isan’ny mandrafitra tokoa ny tenany sy miray tanteraka aminy (natao izany mba ho fanoherana an’i Pierre de Jean Olivi). 

Tsarovy fa ny olona midonana-poana dia olona mitoe-poana sady tsy mirotsaka amin’ny asa tsara, tsy mitady izay ho atao. Hoy Masindahy Paoly hoe: “Raha misy tsy te hiasa dia tsy tokony hihinana izy.” Arak’izany dia tsy sitrak’Andriamanitra fiainana ao anatiny fidonanam-poana fa mitarika antsika amin’ny fahotana maro. Tsy vitan’izany fa mitarika ny hafa ho latsaka anatin’ny fakam-panahy. Katesizy momba ny fidonanam-poana, iarahana amin'i P. Ratinarivony Laurent.

Alahady 19 febroary 2023 — Alahady Tsotra fahafito Mandavantaona — Taona A — Raha misy tia Ahy, hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko; ary hankao aminy Izahay, ka honina ao aminy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 38-48)

Aoka isika tsy higaga na hihetseham-po amin’ny zava-misy hianantsika isan’andro fotsiny fa hanolotena satria asa fanompoana dia iraka maha-kristianina. Tsy tokony hihetsi-po fotsiny fa tokony hafoi-tena isika hanavao ny fiaianana manontolo. I Kristy tsy nangoraka fotsiny nahita antsika latsaka tao anatiny fahotana fa nahafoy tena tanteraka izy hamonjy antsika. Katesizy momba ny fidonanam-poana, iarahana amin'i P. Ratinarivony Laurent.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...