Tena sarotra ny mamaritra ny atao hoe "Fivavahana", fa azo lazaina hoe toe-po sy toe-panahy hoentina mivavaka sy manatanteraka vavaka ao anatin'ny toerana sy fotoana. Ny Fivavahana dia sarotra satria tsy azo tsapain-tanana na jeren'ny maso fa toe-piainana tahaka ny asa masina ; izany hoe olona mivavaka, olona tia vavaka, olona zatra mivavaka no misy... Katesizy momba ny faharetana mivavaka, iarahana amin'i P. Ramiandrasoa Louis Marc.
19 febroary 2025 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahenina Mandavantaona — Izaho no Fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo, izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 8, 22-26)
18 febroary — Teraka tao Lourdes tamin'ny taona 1844 i Bernadette Soubirous. Avy amin'ny fianakaviana mahantra izy. Izy no azo heverina fa ohatra tsara raha ny fifandraisana miafina eo amin'ny ankizy sy Andriamanitra no resahana.
Ho an'i Masimbavy Terezin'i Jesoa Zazakely : " ho ahy ho izy ny vavaka dia fisitahan'ny FO, fijery tsotra atodika any an-danitra, hiaram-pahalalana sy hiakam-pitiavana eo anivon'ny hafaliana". Ny vavaka dia manokana ary miainga avy ao anaty, avy ao am-po asandratra amin'Andriamanitra. Azo lazaina hoe valim-pitia atolotra amin'Izy Tompo ny vavaka ary fanandratana ny fanahy... Katesizy momba ny faharetana mivavaka, iarahana amin'i P. Ramiandrasoa Louis Marc.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco