20 février — I Masimbavy Aimée dia avy amin'ny fianakaviana kristianina malaza tao Assise. I Masimbavy Claire, ilay nanara-dia an'i Masindahy François d'Assise no nenitoany ary i Frère Rufin no dadatoany.
Vao vita Batemy i Jesoa, ka feno ny Fanahy Masina, talohan'ny niasany, nampianarany ampahibemaso dia nandeha nivavaka nanao laretirety 40 andro sy 40 alina tany an'efitra, tsy nisakafo tsy nisotro ; vita izay dia azon'ny fakam-panahy Izy fa vavaka no niadivany sy nitolomany tamin'izany. Ady no nataony tamin'ny alalan'ny vavaka hanoherany ny Sampy sy ny fahefàna... Katesizy momba ny faharetana mivavaka, iarahana amin'i P. Ramiandrasoa Louis Marc.
20 febroary 2025 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahenina Mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 8, 27-33)
19 febroary — Raha ny tantaran'i Masindahy Gabin dia tsy dia misy ambara firy nefa na izany aza, izay kely fantatra momba azy dia ahafahana maka ohatra ny finoana nananany. Niaina tamin'ny taonjato fahatelo i Masindahy Gabin.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco