22 jona 2023 — Alakamisy, Herinandro Tsotra faharaika ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 6, 7-15)
Sitrapon'Andriamanitra matoa misy, asa tanan'ny Mpahary. Fa misy antony avokoa ny zavatra rehetra. Natao hidera an'Andriamanitra Mpahary ny zava-boahary. Tian'Andriamanitra avokoa ny zava-boahary ary tsy misy halany izay nataony, fa raha nisy iray halany dia tsy nataony akory. Sarobidy ny zava-boahary izay famantarana lehibe ao amin'ny Sakramenta. Katesizy momba ny tontolo iainana, iarahana amin'i P. Jean Louis Rakotomanantsoa.
21 jona 2023 — Alarobia, Herinandro Tsotra faharaika ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny soritrao, ary tariho ho amin’ny fahamarinanao aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 6, 1-6. 16-18)
Fitiavan'Andriamanitra sy fanehoany ny tenany sy ny asany ny fahariana ; mitory ny hatsarany tsy misy fetra. Ny fahariana dia famoronana niainga tamin'ny tsy misy, miampy fametrahana lamina ao amin'ireo ; tsy hoe rehefa nisy dia ampy fa nomena ilay lamina : hitomboan'ny taranaka, hifamelona. Miavaka ny fahariana ny olombelona fikasan'Andriamanitra manokana mihitsy, novolavolainy sy nomeny ny fofon'ainy. Katesizy momba ny tontolo iainana, iarahana amin'i P. Jean Louis Rakotomanantsoa.
• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany, ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco