21 jona 2023 — Alarobia, Herinandro Tsotra faharaika ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny soritrao, ary tariho ho amin’ny fahamarinanao aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 6, 1-6. 16-18)
Ry havana, ho an’ireo kristianina avy tamin’ny finoana jody no anoratan’i Masindahy Matio ny Evanjely tany am-boalohany, fa ho antsika ankehitriny koa. Mbola nanaraka fomba jody sasantsany ihany izy ireo na dia efa kristianina aza. Isan’ny fomba narahina ary lovaintsika ankehitriny aza ny vavaka, ny asa fiantrana ary ny fifadian-kanina. Fomba tsara izany satria entina hanolorana ny tena manontolo ho an’Andriamanitra, manampy antsika hifehy tena sy hikolokolo hatsaram-panahy. Tsy amin’ny karemy ihany no hanaovana izany fa mandavan-taona, atao tonga toe-piainana mihitsy. Anentanana antsika isan’andro hiezaka amin’izany.
Etsy an-kilany kosa dia manafatrafatra i Jesoa mba tsy ho fisehosehoana na filan-dera hoe mahavita no hanaovana izany. Tsy ny mamiratra ivelany toa ankoso-bolamena no ankasitrahana fa ny fiainana anaty. Fakam-panahy mety hahazo ny olona rehetra ny fihatsaram-bela-tsihy, araka ny fiteny mahazatra hoe mivavaka alahady fa mangalatra akoho alatsinainy. Sanatria anie izany ! Aleo ho voninahitr’Andriamanitra ny zavatra rehetra. Amen.