Melohan'i Jesoa ny hakamoana, tsy mampiasa ireo fahasoavana nomen'Andriamanitra. Tsy maintsy miasa ny olombelona mba hamerenana izay nomen'Andriamanitra, izay nomeny miaraka amin'ny tombony. Ny olombelona mipetra-potsiny dia mamono tena ary melohan'i Jesoa. Mamporisika antsika hampitombo ny talenta ny Tompo.  Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

27 aogositra 2023 — Alahady Tsotra faharaika amby roapolo Mandavantaona — Taona A — Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, hoy ny Tompo, tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 16, 13-20)

Ny asa dia talenta izay azo adika hoe fananana. Manana fahaizana, tsy mitovy isika olombelon ary io fahasamihafana io no mifameno. Samihafa ny fahaiza-manao ananan'ny olombelona rehetra ary fanomezam-pahasoavana manokana io. Ampiasaina araka ny fitokisan'Andrimanitra amintsika ny talenta, izay misy dingana : andrana, mitombo traik'efa ary tonga ho mpiasa raikitra. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

26 aogositra 2023 — Sabotsy, Herinandro Tsotra faharoapolo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 23, 1-12)

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...