Vakiteny voalohany

Bokin’i Rota (Rota 2, 1-3. 8-11 ; 4, 13-17)

Tsy navelan’ny Tompo tsy hana-mpandimby ny vahoakanao. Itý ny rain’i Izaia, rain’i Davida.

Nanana havam-bady anankiray i Nôemi,
lehilahy manan-jo sy manan-karena,
avy amin’ny fianakavian’i Elimeleka izy io,
ary Bôôza no anarany.
Ary hoy i Rota ilay Môabita tamin’i Nôemi:

“Mba te-handeha ho any an-tsaha aho
hitsimpona salohim-bary eo aorian’izay hahitako fitia eo imasony.”

Ka hoy izy namaly azy:

“Andeha, anaka.”

Dia nandeha izy ka nitsimpona salohim-bary
tany amin’ny saha anankiray teo aorian’ny mpijinja,
ary sendra teo amin’ny tanimbarin’i Bôôza,
fianakavian’i Elimeleka indrindra, no nalehany.

Dia hoy i Bôôza tamin’i Rota:

“Izao no izy, anaka:
Aza mandeha mitsimpona any amin’ny tanimbary hafa,
aza miala eto,
fa mijanòna toy izao miaraka amin’ny ankizivaviko.
Jereo izay tanimbary hojinjaina dia manaraha eo aorian’ireo.
Efa nilazako ny mpanompoko mba tsy hikasika anao.
Ary raha mangetaheta ianao,
mandehana eo amin’ny siny dia misotroa amin’izay nantsakain’ny mpanompo.”

Tamin’izay,
dia nidaboka razazavavy ka niankohoka tamin’ny tany,
ka nanao taminy hoe:

“Inona no mba nahitako fitia teo imasonao
ka hiheveranao ahy izay vahiny fotsiny iny?”

Dia hoy ny navalin’i Bôôza azy:

“Efa nilazana avokoa ny nataonao ho an’ny rafozanao hatrizay nahafatesan’ny vadinao aho;
sy ny nandaozanao ny ray aman-dreninao mbamin’ny tany nahaterahanao,
ka nankanesanao atý amin’ny firenena tsy fantatrao akory taloha.”

Dia nampakarin’i Bôôza i Rota ka tonga vadiny ary nandeha taminy i Bôôza.
Ary nampanana anaka an’i Rota ny Tompo ka niteraka zazalahy izy.
Dia hoy ny vehivavy tamin’i Nôemi:

“Hisaorana anie ny Tompo
fa tsy navelany tsy hanam-panavotra ianao ankehitriny.
Hankalazaina anie ny Anarany eo amin’i Israely!
Io no hamelona ny ainao sy ho tohan’ny fahanteranao,
fa naterak’ilay vinantonao izay tia anao
ka mihoatra noho ny zanaka lahy fito ho anao.”

Dia noraisin’i Nôemi ny zaza ka nataony teny antrotroany,
ary izy no nitaiza azy.
Ny vehivavy namany kosa nanome anarana azy, ary nanao hoe:

“Nahazo zazalahy i Nôemi”,

ka nataony hoe Obeda ny anarany.
Izy no rain’i Izaia, rain’i Davida.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 127, 1-2. 3. 4-5

Izany tokoa no fitahiana ny lehilahy matahotra ny Tompo.

Sambatra izay rehetra matahotra ny Tompo,
sy mizotra amin’ny Lalany.
Mahazo voka-tsoa tokoa amin’ny asanao ianao:
ka sambatra sy tretrika!

Ny vadinao: foto-boaloboka mahavokatra
ao anivon-tranonao.
Ny zanakao: solofon’ôliva
manodidina ny latabatrao.

Izany tokoa no fitahiana
ny lehilahy matahotra ny Tompo.
Eny, hitahy anao avy ao Siôna anie ny Tompo,
hahitanao ny hasambaran’i Jerosalema amin’ny andro rehetra iainanao.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 23, 1-12)

Milaza fotsiny izy fa tsy manao.

Tamin’izany andro izany i Jesoa,
niteny tamin’ny vahoaka sy ny mpianany hoe:

“Efa mipetraka eo amin’ny fipetrahan’i Môizy
ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina;
ka ataovy sy araho izay rehetra lazainy aminareo,
fa aza maka tahaka ny ataony,
satria milaza fotsiny izy fa tsy manao.
Fehezin’izy ireo ny enta-mavesatra sarotra entina,
ka atainginy eo an-tsoroky ny olona,
nefa izy tsy mety manetsika izany na dia amin’ny rantsan-tanany akory aza.
Ny mba ho hitan’ny olona ihany no anaovany ny asany rehetra
ka dia filakitera lehibebe kokoa
sy somotraviavin-damba lavalava kokoa noho ny an’ny olona no entiny.
Ny tiany dia ny voalohan-toerana amin’ny fanasana,
ny fipetrahana voalohany amin’ny sinagôga,
ny arahabaina eo an-kianja ary ny antsoin’ny olona hoe Raby.
Fa ianareo kosa,
aza mba mety antsoina hoe Raby fa iray ihany ny Mpampianatra anareo,
ary mpirahalahy avokoa ianareo rehetra.
Ary aza miantso olona eto an-tany ho rainareo;
fa iray ihany no Rainareo, dia izay any an-danitra.
Aza mety atao hoe mpampianatra;
fa iray ihany no Mpampianatra anareo, dia i Kristy.
Izay lehibe indrindra aminareo dia ho mpanomponareo;
fa izay hanandra-tena dia haetry,
ary izay hanetry tena dia hasandratra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 14 ôktôbra 2024

♦ Tontosa ny 13 ôktôbra 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Orthasie Marcellin Herivonjilalaina, sy ny fametrahana azy ho eo amin'ny fiketrahana maha Evekan'Ambatondrazaka azy... ♦ Ny sabotsy 19 ôktôbra 2024 no hanamarihana, any amin'ny Sanctuaire Ambiatibe, ny fankalazana ny faha-12 taona nanandratana ho olomasina an'i Masindahy Jacques Berthieu... ♦ Ny tena harena dia ny tian'Andriamanitra, hoy ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...