29 nôvambra 2023 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahefatra amby telopolo Mandavantaona — Mahareta ambara-pahafaty, hoy ny Tompo, dia homeko anao ny satro-boninahitry ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 21, 12-19)
Natao hanasoa ny vahoaka mba ho afa-miaina tsara ny fanjakàna ; koa "na manahoana na manahoana dia mifanohitra amin'ny maha-olona mihitsy ny hahatonga ny fanjakana ho tsy refesi-mandidy na hanao didiko fe-lehibe ; voahitsakitsaka mafy amin'izany ny zon'ny olona sy ny mpiara-monina". Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
28 nôvambra 2023 — Talata, Herinandro Tsotra fahefatra amby telopolo Mandavantaona — Miambena ianareo ary aoka ho vonona: fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’Olona — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 21, 5-11)
Ny fahefana politika dia miantoka izay hampirindra ary hampisy ny fiainan'ny ankohonana miara-belona ; tsy misolo vaika ny isam-batan'olona, nany vondron'olona, fa mandamina sy mitari-dàlana, ao anatin'ny fifanajana sy fiahiana ny fahefan'ny tsirairay sy ny vondron'olona, mba hahatomombana ny soa iombonana. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany, ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco