29 marsa 2024 — Zoma Masina — Fankalazana ny fijalian'ny Tompo — Nanolo-tena hanaiky hatramin’ny fahafatesana ho antsika i Kristy, dia fahafatesana tamin’ny Hazofijaliana. Ho valin’izany kosa, dia nasandratr’Andriamanitra ambony indrindra Izy, ary nomeny Anarana mihoatra ny anarana rehetra — Fijalian'i Jesoa Kristy Tompontsika nosoratan'i Masindahy Joany (Jo. 18, 1-40 ; 19, 1-42)

Resahina be ankehitriny ny hoe famerana isan-jaza, fanabeazana aizana ; mila mitandrina anefa fa amin'ny ireny fomba fanabeazana aizana ireny dia misy amin'izy ireny tsy hoe manakana ny tsirinaina lahy sy vavy fa ilay efa mitsaika no potehin'ilay fomba dia mivoaka ilay zaza. Ny toe-tsaina ankehitriny vokatry ny fanatontoloana no mamporisika ny olona hanala zaza. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa. 

28 marsa 2024 — Alakamisy Masina — Didy vaovao no omeko anareo, hoy ny Tompo, dia izao: Mifankatiava ianareo, ary aoka ho toy ny nitiavako anareo no hifankatiavanareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 13, 1-15)

Ny olombelona dia natao hameno ny tany, natao hiteraka ao anatin'ny fanambadiana. Tsy resaka fahafinarentana fotsiny fa tena misy antony lehibe no namoronan'Andriamanitra ny fanambadiana. Efa manan-jo ho velona ny zaza manomboka amin'ny fiforonany ao am-bohoka, hita taratra ao anatin'ny didy folo io zo fototra io. Tsy maintsy hajaina sy arovana amin'ny fomba rehetra ny ain'olombelona. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa. 

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...