Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa. 3, 1-10)
Tamin’izany andro izany,
nankao an-tempoly i Piera sy i Joany
tamin’ny fotoam-pivavahana amin’ny ora fahasivy.
Nisy kosa lehilahy anankiray malemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny
nentina isan’andro sy napetraka teo am-baravaran’ny tempoly
atao hoe Tsaraendrika,
mba hangataka fiantrana tamin’izay niditra tao an-tempoly.
Nony nahita an’i Piera sy i Joany
ndeha hiditra ny tempoly ralehilahy io,
dia nangataka fiantrana tamin’izy ireo.
Nibanjina azy i Piera mbamin’i Joany nanao hoe:
“Jereo izahay.”
Dia nataony tsara jery izy ireo,
fa nanantena hahazo zavatra taminy izy.
Fa hoy i Piera:
“Tsy manam-bolafotsy na volamena aho,
fa izay ananako no omeko anao:
Amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy avy any Nazareta, mamindrà.”
Sady noraisiny tamin’ny tanany ankavanana izy sy natsangany.
Natanjaka niaraka tamin’izay ny ranjony sy ny tongony,
dia niantsambotra izy sy nijoro ary namindra,
ka niara-niditra tamin’izy ireo tao an-tempoly
namindra sy niantsambotsambotra,
ary nidera an’Andriamanitra.
Nahita azy namindra sy nidera an’Andriamanitra ny vahoaka rehetra,
sady fantany tsara fa izy io indrindra
no ilay nipetraka teo am-baravaran’ny tempoly
atao hoe Tsaraendrika
mba hangataka fiantrana,
ka gaga sy talanjona izy ireo
noho ny zavatra nitranga tamin-dralehilahy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
(Salamo 104, 1-2. 3-4. 6-7. 8-9)
Derao ny Tompo! Antsoy ny Anarany!
Ampahafantaro ny vahoaka ny asany ambony!
Hirao Izy! Antsao!
Vetsoy ny asany mahagaga!
Ireharehao ny Anarany masina!
Miravoa ny fon’ny mpitady ny Tompo!
Katsaho ny Tompo sy ny heriny!
Tadiavo lalandava ny Tavany!
Ry taranak’i Abrahama mpanompony,
ry zanak’i Jakôba ianareo voafidiny:
Izy no Tompo Andriamanitra,
manerana ny tany tontolo ny fitsarany.
Tsarovy mandrakizay ny fanekeny:
dia ny teny napetrany ho an’ny taranaka arivo;
ilay niantohany tamin’i Abrahama,
sy nianianany tamin’i Isaaka.
Aleloia. Aleloia.
Ity no andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 24, 13-35)
Nony marainakoan’ny andro voalohan’ny herinandro ihany,
dia nisy mpianatra roa lahy
nankany amin’ny vohitra anankiray atao hoe Emaosy,
tokony ho enimpolo stady raha avy eo Jerosalema.
Niresaka izany zava-niseho rehetra izany izy ireo.
Ary raha mbola niresaka sy nifampilaza izay heviny teny izy,
dia nanatona azy i Jesoa ka niara-dalana taminy;
fa voasakana tsy hahafantatra Azy ny mason’izy ireo,
hoy Izy taminy:
“Inona izato resahinareo ety an-dalana
no toa dia efa malahelo erý ianareo izany?”
Dia namaly ny anankiray atao hoe i Kleôfasy
ka nanao taminy hoe:
“Ianao irery angaha no vahiny ao Jerosalema
tsy mahalala izay zava-niseho tao tato ho ato?”
Fa hoy Izy tamin’izy ireo:
“Zavatra inona moa izany?”
Dia hoy ireo:
“Ny amin’i Jesoa avy any Nazareta,
izay Mpaminany mahery tamin’ny asany sy ny teniny
teo anatrehan’Andriamanitra sy ny vahoaka rehetra,
dia ny amin’ny nanoloran’ny lohandohan’ny mpisorona
sy ny lehibentsika Azy ho faty,
mbamin’ny namantsihana Azy tamin’ny Hazofijaliana.
Nanantena izahay fa hoe Izy no ilay hanavotra an’i Israely;
kanjo indro fa androany izao no andro fahatelo
hatramin’ny nisehoan’izany.
Nisy ihany tokoa vehivavy sasany namanay
nahasanganehana anay fatratra,
fa tany amin’ny fasana marainakoa izy ireo,
ary niverina nilaza fa tsy nahita ny fatiny,
nefa nahita Anjely niseho taminy,
nanambara fa velona Izy.
Dia nankany amin’ny fasana ny sasany taminay
ka nahita araka izay nolazain’ny vehivavy,
nefa tsy nahita Azy.”
Ary hoy Izy tamin’izy ireo:
“Ry adala sy votsa saina
amin’ny finoana izay rehetra voalazan’ny mpaminany!
Moa tsy tokony ho niaritra izany va i Kristy
mba hidirany amin’ny voninahiny?”
Dia novoasany tamin’izy ireo
ny tenin’i Môizy sy ny mpaminany rehetra manambara Azy
ao amin’ny Soratra Masina.
Nony mby tao akaikin’ny vohitra halehan’izy roa lahy izy ireo,
dia nanao hoatra ny mbola handeha lavidavitra ihany i Jesoa,
fa notanan’izy ireo nataony hoe:
“Mitoera re aty aminay,
fa efa ho hariva izao, efa mandrorona ny andro.”
Dia niditra niara-nijanona tamin’izy ireo Izy.
Ary rahefa niara-nihinana izy ireo,
dia nandray ny mofo Izy ka notsofiny rano sy novakìny,
dia natolony azy ireo.
Izay vao nisokatra ny mason’izy ireo ka nahalala Azy,
fa Izy kosa tonga tsy hitany intsony.
Dia nifampilaza izy hoe:
“Akory izany firehidrehitry ny fontsika tao anatintsika
fony Izy niresaka tamintsika teny an-dalana,
sy nivaofy ny Soratra Masina tamintsika.”
Niaraka tamin’izay,
dia nitsangana izy ireo ka niverina tany Jerosalema,
ary nahita ny iraika ambin’ny folo lahy sy ny namany
tafavory sady nilaza hoe:
“Efa nitsangana tokoa ny Tompo,
ary efa niseho tamin’i Simôna Izy.”
Dia mba notantarain’izy ireo kosa
ny zavatra niseho taminy teny an-dalana
sy ny nahafantarany Azy tamin’ny famakiana ny mofo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 2, 36-41)
Tamin’ny andro Pantekôty,
dia niteny tamin’ny Jody i Piera nanao hoe:
“Aoka ho fantatry ny taranak’i Israely rehetra marimarina
fa iny i Jesoa nofantsihanareo tamin’ny Hazofijaliana iny,
no nataon’Andriamanitra ho Tompo sy Kristy.”
Voatsindron’izany teny izany ny fon’ny olona,
ka hoy izy tamin’i Piera sy ireo Apôstôly namany:
“Inona àry, ry rahalahy,
no hataonay?”
Dia hoy i Piera tamin’izy ireo:
“Mibebaha, ary aoka samy hatao Batemy
amin’ny anaran’i Jesoa Kristy ianareo rehetra
mba hahazo ny famelana ny fahotanareo,
dia handray ny Fanahy Masina homena anareo.
Satria ho anareo no nanaovana ny fampanantenana,
sy ho an’ny zanakareo,
ary ho an’izay rehetra any lavitra any,
rahefa mety ho nantsoin’ny Tompo Andriamanitra koa.”
Ary nanambara sy namporisika azy
tamin’ny teny maro hafa koa izy nanao hoe:
“Vonjeo ny tenanareo
mba ho afaka amin’ity taranaka ratsy ity.”
Dia natao Batemy izay nandray tsara ny teniny,
ka niampy tokony ho telo arivo
ny isan’ny mpianatra tamin’izany andro izany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
(Salamo 32, 4-5. 18-19. 20 sy 22)
Fa mahitsy ny tenin’ny Tompo,
ara-drariny ny asany rehetra;
ny fahamarinana sy ny hitsiny no tiany,
ny hatsaram-pon’ny Tompo manerana ny tany.
Indro ny mason’ny Tompo amin’izay matahotra Azy,
sy amin’izay matoky ny hatsaram-pony,
hanafaka ny fanahiny amin’ny fahafatesana,
sy hamelona azy amin’ny tao-mosarena.
Ny fanahinay manantena ny Tompo.
Mpitahy anay Izy sy ampinganay!
Ho aminay anie ny hatsaram-ponao, ry Tompo,
araka ny itokianay Anao!
Aleloia. Aleloia.
Ity no andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 20, 11-18)
Tamin’izany andro izany,
nijanona nitomany teo ivelan’ny fasana i Maria.
Ary teo am-pitomaniana,
dia nitanondrika nitsirika ny tao anaty fasana izy
ka nahita Anjely roa niakanjo fotsy,
nipetraka tao amin’izay nipetrahan’ny Vatan’i Jesoa,
ny iray teo an-doha ary ny iray teo an-tongotra.
Dia hoy izy ireo taminy:
“Ravehivavy, nahoana no mitomany ianao?”
Ka hoy izy namaly ireo:
“Satria nalain’olona ny Tompoko,
ka tsy fantatro izay nametrahany Azy.”
Nony avy nilaza izany izy dia nitodika,
ka nahita an’i Jesoa nitsangana teo,
nefa tsy fantany hoe i Jesoa io.
Ary hoy i Jesoa taminy:
“Ravehivavy, nahoana no mitomany ianao?
Iza no tadiavinao?”
Nataony ho mpiandry saha io,
ka hoy izy taminy:
“Raha ianao re no naka Azy, Tompoko,
mba atoroy ahy kely izay nametrahanao Azy,
hangalako Azy.”
Dia hoy i Jesoa taminy:
“Ry Maria!”
Dia nitodika izy ka nanao taminy hoe:
“Rabony”
(izany hoe Mpampianatra).
Ary hoy i Jesoa taminy:
“Aza mikasika Ahy,
fa mbola tsy niakatra tany amin’ny Ray Aho,
fa mandehana mankany amin’ny rahalahiko,
ka lazao aminy hoe:Miakatra ho any amin’ny Raiko sy ny Rainareo Aho,
ary any amin’Andriamanitro sy Andriamanitrareo.”
Dia lasa i Maria Madelena
ka nilaza tamin’ny mpianatra hoe:
“Efa nahita ny Tompo aho,
ary izany no nolazainy tamiko.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 2, 14. 22-32)
Tamin’ny andro Pantekôty,
dia nitsangana niaraka tamin’ny iraika ambin’ny folo lahy i Piera
ka nanao antso avo tamin’ny vahoaka hoe:
“Ry Jody sy ianareo rehetra izay mitoetra eto Jerosalema,
fantaro tsara izao, ary mampandria sofina amin’ny teniko:
i Jesoa avy any Nazareta,
Lehilahy nankatoavin’Andriamanitra teo imasonareo
tamin’ny asa lehibe sy ny fahagagana
ary ny famantarana nampanaoviny Azy teo aminareo,
araka ny fantatry ny tenanareo,
dia natolotra araka ny lahatr’Andriamanitra tsy miovaova
sy ny fahalalany mialoha,
ka nofantsihanareo tamin’ny Hazofijaliana
sy novonoinareo tamin’ny tanan’ny ratsy fanahy;
fa Andriamanitra kosa nanangana Azy ho velona
sy nahafaka Azy tamin’ny fatoran’ny fahafatesana,
satria tsy azo atao ny hihazonan’izany Azy,
araka ny voalazan’i Davida ny aminy hoe:‘Nijery ny Tompo teo anatrehako lalandava aho,
satria eo ankavanako Izy mba tsy hihozongozona aho.
Noho izany, ny foko miravoravo, ny lelako mirobiroby,
ary ny nofoko hitombina amin’ny fanantenana,
fa tsy ho foinao ao amin’ny fitoeran’ny maty ny aiko,
ary tsy hatolotrao hafoy ho tratry ny lò ny Masinao.
Nampahafantatra ahy ny lalan’aina Ianao,
ary hanome hafaliana ahy amin’ny fampisehoana ny tavanao amiko.’Ry havako malala,
aoka holazaiko marimarina aminareo
fa ny amin’i Davida razantsika dia efa maty izy
ka nalevina ary eto amintsika mandraka androany ny fasany.
Fa noho ny maha-mpaminany azy sy noho ny fahalalany
ny teny napetrak’Andriamanitra taminy tamim-pianianana
fa anankiray amin’ny taranany no hapetrany handimby azy
amin’ny fanjakany,
dia ny fitsanganan’i Kristy ho velona
izay efa tsinjony mialoha no nilazany
fa tsy ho foiny ao amin’ny fitoeran’ny maty Izy,
ary ny nofony tsy ho tratry ny lò.
Izany Jesoa izany no natsangan’Andriamanitra ho velona,
ary vavolombelon’izany izahay rehetra.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo (Sal. 15, 1-2a sy 5. 7-8. 9-10. 11)
Andriamanitra Tompo ô, ambeno aho
fa Ianao re no hany ifefeko, hasambarako tokana an-tany.
Ianao re, ry Tompo, no lova
hany zarako mandrakizay.
Ka isaorako Tompo Ianao fa nanolotra saina, fanahy,
sy nanoro ny foko hatrany.
Eo alohako foana ny Tompo,
tsy hiala eo ankavanako Izy.
Tsy omby tratra tokoa ny hafaliana
izay mameno ny foko tontolo sy manenika izato fanahy.
Ka ny nofoko mandry amin-toky
fa tsy foinao ho levona ny aiko.
E! ny lalan’ny fiainana izao dia hatoronao ahy hatrany,
ka nameno hafaliana ny foko.
Ho finaritra mandrakizay
izay mitoetra eo ankavananao.
Aleloia. Aleloia.
Ity no andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 28, 8-15)
Tamin’ny marainan’ny andro voalohany amin’ny herinandro,
nony efa nahita ny Anjelin’ny Tompo
i Maria Madelena sy ilay Maria anankiray,
dia niala faingana teo amin’ny fasana,
sady natahotra no faly indrindra,
lasa nihazakazaka hilaza amin’ny mpianatra.
Ary indro i Jesoa niseho taminy nanao hoe:
“Arahaba.”
Dia nanatona Azy izy ka namihina ny tongony
sy niankohoka teo anatrehany.
Dia hoy i Jesoa taminy:
“Aza matahotra,
fa mandehana asaovy mankany Galilea ny rahalahiko,
fa any no hahitany Ahy.”
Mbola teny an-dalana izy ireo,
dia indreny ny mpiambina sasany nankany an-tanàna,
ka nilaza tamin’ny lohandohan’ny mpisorona
ny zavatra rehetra vao niseho.
Dia novorìn’ireo ny loholona
ka rahefa niara-nidinika teo izy,
dia nanome vola be ny miaramila,
ary nilaza taminy hoe:
“Aelezo amin’ny olona
fa tonga halina ny mpianatra nangalatra Azy
raha mbola natory izahay hoe;
ary raha sendra ren’ny governora izany,
dia izahay no hanony azy tsy haninona anareo.”
Dia nandray ny vola ny miaramila,
ka nanao araka ny teny nomeny azy.
Ary izany teny naelin’izy ireo izany
no mbola inoan’ny Jody mandraka androany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 10, 34a. 37-43)
Nony tonga tany Sezarea i Piera tao an-tranon’i Kôrnely,
dia niloa-bava hoe:
“Fantatrareo ny zavatra tanteraka eran’i Jodea manontolo,
nanomboka tany Galilea taorian’ny batemy notorìn’i Joany:
dia ny amin’i Jesoa avy any Nazareta,
izay nohosoran’Andriamanitra tamin’ny Fanahy Masina sy ny heriny,
ka nandeha nanao soa hatraiza hatraiza,
nahasitrana izay rehetra azon’ny demony,
satria nomba Azy Andriamanitra.
Ary izahay no vavolombelon’ny zavatra rehetra nataony
tany amin’ny tanin’ny Jody sy tany Jerosalema.
Dia novonoiny Izy nahantony tamin’ny hazo;
nefa natsangan’Andriamanitra kosa Izy tamin’ny andro fahatelo,
sady nasehony miharihary,
tsy tamin’ny olona rehetra,
fa tamin’ny vavolombelona efa voatendrin’Andriamanitra rahateo,
dia taminay,
izay niara-nihinana sy nisotro taminy,
rehefa nitsangan-ko velona Izy.
Izy nandidy anay hitory amin’ny vahoaka sy hanambara
fa Izy no voatendrin’Andriamanitra
ho mpitsara ny velona sy ny maty.
Ny Mpaminany rehetra koa manambara
fa amin’ny Anarany no ahazoan’izay mino Azy famelan-keloka”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo (Sal. 117, 1-2. 16ab-17. 22-23)
Derao ny Tompo fa tsara:
Eny, mandrakizay ny fitiavany!
Valion’i Israely manontolo:
Eny, mandrakizay ny fitiavany!
Nanandratra ahy ny tanan’ny Tompo;
ny tanan’ny Tompo naneho hery!
Tsy maty aho fa velona
hitanisa ny asan’ny Tompo.
Ny vato narian’ny mpanao trano
no indro tonga fehizoro;
ny Tompo no nanao izany
zava-mahagaga imasonay!
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany KôIôsy (Kôl. 3, 1-4)
Ry kristianina havana,
raha niara-nitsangana tamin’i Kristy ianareo,
dia ny zavatra any ambony,
amin’izay itoeran’i Kristy eo ankavanan’Andriamanitra no katsaho:
ny zavatra any ambony no ankafizo,
fa aza ny zavatry ny tany.
Fa maty ianareo,
ary miara-miafina amin’i Kristy ao amin’Andriamanitra ny fiainanareo;
fa rehefa hiseho i Kristy izay fiainantsika,
vao hiara-miseho aminy amim-boninahitra koa ianareo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
na:
Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (1 Kôr. 5, 6b-8)
Ry kristianina havana,
tsy fantatrareo angaha fa lalivay kely foana
dia mampibonaka ny vongan-dafarìna manontolo?
Esory re ny lalivay ela,
mba ho vongana vaovao ianareo,
sady efa voavono i Kristy izay Paka ho antsika.
Koa aoka àry isika hankalaza ny fety
tsy amin’ny lalivay ela,
na amin’ny lalivaim-paharatsiana aman-dolom-po,
fa amin’ny mofo tsy misy lalivay,
dia ny fahadiovam-po amam-pahamarinana izany...
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aoka hiventy hira fiderana
an’ilay Soron’ny Paka
ny kristianina.
Nifandrafy sy nifamely mafy
ny fahafatesana sy ny fiainana;
maty ilay tompon’ny aina,
fa indro velona sy manjaka izao.
Hono, ry Maria Madelenina,
lazao anay izay hitanao tany an-dalana.
Ny fasan’i Kristy velona no hitako,
sy ny voninahitr’Izy tafatsangan-ko velona,
sy ireo Anjely vavolombelony
ary ny saron-dohany sy ny lamba nifonosany.
Tafatsangana tokoa ilay Kristy fanantenako,
hialoha anareo any Galilea Izy.
Fantatsika fa nitsangan-ko velona tokoa i Kristy.
Mamindrà fo aminay, ry Mpanjaka nandresy.
Amen. Aleloia.
Aleloia. Aleloia.
Efa voavono i Kristy izay Paka ho antsika ao amin’ny Tompo.
Aleloia.
(Paka maraina)
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 20, 1-9)
Tamin’ny andro voalohan’ny herinandro,
dia lasa maraina koa mbola maizina nankany amin’ny fasana i Madelenina,
ka nahita fa voaesotra tamin’ny fasana ny vato.
Dia lasa izy nihazakazaka nankany amin’i Simôna Piera
sy ilay mpianatra malalan’i Jesoa,
ka nanao tamin’ireo hoe:
“Nalain’olona tao am-pasana ny Tompo,
ka tsy fantatray izay nametrahany Azy”.
Dia mba lasa koa i Piera sy ilay mpianatra anankiray
nankany amin’ny fasana,
ka niara-nihazakazaka izy roa lahy,
saingy nandeha faingampaingana kokoa
ilay mpianatra anankiray,
ka tonga talohan’i Piera tao amin’ny fasana.
Dia niondrika izy ka nahita ny lamba nipetraka teo,
nefa tsy niditra.
Nony tonga kosa i Piera nanarakaraka azy,
dia niditra tao am-pasana
ka nahita ny lamba nipetraka teo,
sy ny lamba nasarona ny lohany,
tsy niara-nipetraka tamin’ny lamba
fa nivalona nitokana tery.
Dia niditra koa ilay mpianatra
izay tonga taloha teo amin’ny fasana,
ary nahita ka nino.
Fa tsy mbola fantatr’izy ireo ny Soratra Masina
milaza fa tsy maintsy hitsangan-ko velona i Jesoa.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
na hoe:
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 28, 1-10)
Tamin’ny alin’ny sabata,
raha vao nazava ratsy ny andro voalohany amin’ny herinandro,
dia lasa nitsirika ny fasana,
i Maria Madelenina sy ilay Maria anankiray.
Ary indro nisy horohoron-tany mafy.
Fa nisy Anjelin’ny Tompo anankiray
nidina avy tany an-danitra tonga teo,
nanakodia ny vato dia nipetraka teo amboniny.
Namirapiratra tahaka ny helatra ny tarehiny,
ary fotsy tahaka ny oram-panala ny fitafiany.
Ankona ny mpiambina nony nahita izany,
ka nanjary tahaka ny maty.
Dia niteny tamin’ireo vehivavy ny Anjely nanao hoe:
“Aza matahotra ianareo;
fantatro fa mitady an’i Jesoa
Izay nofantsihana tamin’ny Hazofijaliana ianareo.
Tsy ato Izy,
fa efa nitsangana araka izay nolazainy.
Avia ka jereo,
fa teo no toerana nametrahana ny Tompo.
Mandehana haingana milaza amin’ny mpianany
fa efa nitsangana avy any amin’ny maty Izy;
ary indro hialoha anareo any Galilea izy,
any no hahitanareo Azy;
izany àry, fa efa nilazako ianareo izay”.
Dia niala faingana tamin’ny fasana izy ireo,
sady natahotra no faly indrindra,
lasa nihazakazaka hilaza amin’ny mpianatra.
Ary indro i Jesoa niseho taminy nanao hoe:
“Arahaba”.
Dia nanatona Azy izy,
ka namihina ny tongony
sy niankohoka teo anatrehany.
Dia hoy i Jesoa taminy:
“Aza matahotra,
fa mandehana asaovy mankany Galilea ny rahalahiko,
fa any no hahitany Ahy”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
(Paka hariva)
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 24, 13-35)
Tamin’ny andro voalohan’ny herinandro ihany
dia nisy mpianatra roa lahy nankany amin’ny vohitra anankiray
atao hoe Emaosy,
tokony ho enimpolo stady raha avy eo Jerosalema.
Niresaka ny zava-niseho rehetra izy ireo.
Ary raha mbola niresaka sy nifampilaza izay heviny teny izy,
dia nanatona azy i Jesoa ka niara-dalana taminy;
fa voasakana tsy hahafantatra Azy ny mason’izy ireo.
Hoy Izy taminy:
“Inona izato resahinareo ety an-dalana,
no toa dia efa malahelo ery ianareo izany?”
Dia namaly ny anankiray atao hoe Kleôfasy
ka nanao taminy hoe:
“Ianao irery angaha no vahiny ao Jerosalema
tsy mahalala izay zava-niseho tao tato ho ato?”
Fa hoy Izy tamin’ireo:
“Zavatra inona moa izany?”
Dia hoy ireo:
“Ny amin’i Jesoa avy any Nazareta,
izay Mpaminany mahery tamin’ny asany sy ny teniny,
teo anatrehan’Andriamanitra sy ny vahoaka rehetra,
dia ny amin’ny nanoloran’ny lohandohan’ny mpisorona
sy ny lehibentsika Azy ho faty,
mbamin’ny namantsihana Azy tamin’ny Hazofijaliana.
Nanantena izahay fa hoe Izy no Ilay hanavotra an’i Israely:
kanjo indro fa androany izao no andro fahatelo
hatramin’ny nisehoan’izany.Nisy ihany tokoa vehivavy sasany namanay
nahasanganehana anay fatratra,
fa tany amin’ny fasana maraina koa izy ireo,
ary niverina nilaza fa tsy nahita ny fatiny,
nefa nahita Anjely niseho taminy,
nanambara fa velona Izy.
Dia nankany amin’ny fasana ny sasany taminay
ka nahita araka izay nolazain’ny vehivavy,
nefa tsy nahita Azy”.
Ary hoy Izy tamin’izy ireo:
“Ry adala sy votsa saina
amin’ny finoana izay rehetra voalazan’ny Mpaminany!
Moa tsy tokony ho niaritra izany va i Kristy
mba hidirany amin’ny voninahiny?”
Dia novoasany tamin’izy ireo
ny tenin’i Môizy sy ny Mpaminany rehetra manambara Azy
ao amin’ny Soratra Masina.
Nony mby tao akaikin’ny vohitra halehan’izy roa lahy izy ireo,
dia nanao hoatra ny mbola handeha lavidavitra ihany i Jesoa
fa notanan’izy ireo nataony hoe:
“Mitoera re aty aminay,
fa efa ho hariva izao,
efa mandrorona ny andro”.
Dia niditra niara-nijanona tamin’izy ireo Izy.
Ary rehefa niara-nihinana izy ireo,
dia nandray ny mofo Izy ka notsofiny rano sy novakìny,
dia natolony azy ireo.
Izay vao nisokatra ny mason’izy ireo ka nahalala Azy,
fa Izy kosa tonga tsy hitany intsony.
Dia nifampilaza izy hoe:
“Akory izany firehidrehitry ny fontsika tao anatintsika,
fony Izy niresaka tamintsika teny an-dalana,
sy nivaofy ny Soratra Masina tamintsika!”
Niaraka tamin’izay dia nitsangana izy ireo
ka niverina tany Jerosalema,
ary nahita ny iraika ambin’ny folo lahy
sy ny namany tafavory sady nilaza hoe:
“Efa nitsangana tokoa ny Tompo,
ary efa niseho tamin’i Simôna Izy”.
Dia mba notantarain’izy ireo kosa
ny zavatra niseho taminy teny an-dalana
sy ny nahafantarany Azy tamin’ny famakiana ny mofo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco