Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 15, 7-21)
Tamin’izany andro izany,
rahefa niady hevitra mafy naharitra ela ny amin’ny famoràna ny Apôstôly sy ny loholona,
dia nitsangana i Piera ka nanao tamin’izy ireo hoe:
“Ry rahalahy,
fantatrareo fa efa ela izay no nifidianan’Andriamanitra ahy teto aminareo
mba handrenesan’ny Jentily amin’ny vavako ny tenin’ny Evanjely sy hinoany.
Ary Andriamanitra izay mahalala ny fo,
dia naneho ny fankasitrahany azy ireo
tamin’ny nanomezany azy ny Fanahy Masina tahaka antsika koa;
nataony tsy nisy hafa isika sy izy,
fa nodioviny tamin’ny finoana ny fony.
Ka nahoana àry no maka fanahy an’Andriamanitra ianareo izao,
ka manisy jioga amin’ny vozon’ny mpianatra,
nefa samy tsy nahazaka izany na isika na ny razantsika?
Fa noho ny fahasoavan’i Jesoa Tompo ihany no inoantsika hahazoana famonjena,
tahaka ny azy ireo ihany koa.”
Dia nangina ny olona rehetra, ka nihaino an’i Barnabe sy i Paoly
nitantara ny famantarana amam-pahagagana betsaka nampanaovin’Andriamanitra azy
tany amin’ny Jentily.
Nony nitsahatra ny tenin’izy roa lahy,
dia namaly i Jakôba nanao hoe:
“Ry rahalahy, henoy aho.
Ny amin’ny namangian’Andriamanitra ny Jentily aloha,
mba hangalany vahoaka hanaja ny Anarany amin’izy ireo,
dia efa voatantaran’i Simôna.
Ary mifanaraka amin’izany koa ny tenin’ny mpaminany,
araka ny voasoratra hoe:
Rahefa afaka izany, dia hiverina Aho,
ka haoriko indray ny tranon’i Davida izay efa nianjera;
hamboariko izay rava, dia hatsangako indray izy,
mba hitady ny Tompo ny olona sisa mbamin’ny jentily rehetra
izay niantsoana ny Anarako, hoy ny Tompo,
izay manatanteraka izany zavatra fantatra hatraiza hatraiza izany.
Koa amin’izany, izao no hevitro:
tsy mety ny manome fahasahiranana ny Jentily izay manatona an’Andriamanitra,
fa aoka hampitondrana taratasy izy ireo
mba hifady ny hena natolotra tamin’ny sampy, sy ny fijangajangana,
ary ny biby nokendaina, mbamin’ny ra.
Fa hatramin’ny taranaka mifanesy hatra ny ela
dia manana izay mitory azy isan-tanàna rehetra i Môizy,
satria vakìna ao amin’ny sinagôga isan-tsabata ny teniny.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 95, 1-2a. 2b-3. 10
Ikaloy ’reo hira vaovao e
ho an’ny Tomponao, ry manana aina.
Ny fisaorana aoka hanakoako e!
Isan’andro vaky, dia torio e,
’tony vonjy nentiny lazao e
mba handre daholo ny eran-tany e!
Fa ny Tompo ihany no ambony.
Mahatahotra Izy noho ny hafa,
ka variana erý ny firenena!
He! ny Tompo irery no Mpanjaka.
’Tony tany vitany mijoro.
’Zany rariny entiny mitsara!
Aleloia. Aleloia.
Fantatsika fa nitsangan-ko velona marina tokoa i Kristy. Ianao, ry Mpanjaka nandresy, mamindrà fo aminay.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 15, 9-11)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Tahaka ny nitiavan’ny Ray Ahy no nitiavako anareo koa,
ka mitomoera amin’ny fitiavako ianareo.
Raha mitandrina ny didiko ianareo no hitoetra amin’ny fitiavako,
tahaka ny nitandremako ny didin’ny Raiko sy itoerako amin’ny fitiavany.
Izaho no milaza izany aminareo,
dia mba ho ao aminareo ny fifaliako,
ary mba ho lavorary ny fifalianareo.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 15, 1-6)
Tamin’izany andro izany,
dia nisy olona avy tany Jodea nampianatra ny rahalahy hoe:
“Raha tsy foràna araka ny Lalàn’i Môizy ianareo,
dia tsy ho voavonjy.”
Ka nony efa nifanditra sy niady hevitra mafy tamin’ireo i Paoly sy i Barnabe
dia izao no hevitra nifanarahana:
hiara-miakatra any Jerosalema i Paoly sy i Barnabe,
ary ny sasany amin’izy andaniny,
handinika amin’ny Apôstôly sy ny Pretra ilay zavatra niadiany hevitra.
Dia naterin’ny fiangonana teny ho eny izy ireo,
vao nanohy ny diany namaky an’i Fenisia sy i Samaria,
nitantara ny nibebahan’ny Jentily,
ka nahafaly indrindra ny rahalahy rehetra izany.
Nony tonga tany Jerosalema izy ireo,
dia noraisin’ny Eglizy sy ny Apostôly mbamin’ny Pretra,
ary nilaza ny zava-dehibe nataon’Andriamanitra taminy.
Fa mba nitsangana kosa ny mpino sasany tariky ny Farisianina, ka nanao hoe:
“Tsy maintsy hoforàna ny Jentily,
sy didiana hanaraka ny Lalàn’i Môizy.”
Dia nivory ny Apôstôly sy ny loholona mba handinika izany raharaha izany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 121, 1-3. 4-5
Hafaliana no nanenika ny tenako rehetra,
nilazana fa hizotra ho any an-tranon’Izy Tompo.
Indro tonga soa ’zahay, tapitr’eto re ny dia.
Eto am-bavahadinao, ry Siôna tsara rindra.
Ao no miakatra ireo foko, dia ny fokon’Izy Tompo.
Ao ny Anaran’Izy Tompo no derain’i Israely.
Fiketraham-pitsarana no mijoro anatiny ao,
ary miorina ao anivony ao ny tranon’i Davida!
Aleloia. Aleloia.
Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo. Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 15, 1-8)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nilaza tamin’ny mpianany hoe:
“Izaho no tena foto-boaloboka, ary ny Raiko no mpamboly.
Ny sampana rehetra tsy mamoa eo amiko dia esoriny,
ary izay rehetra mamoa dia rantsanany mba hampamoa azy bebe kokoa.
Efa madio ianareo izao,
noho ny fampianarana nataoko taminareo.
Mitomoera ao amiko, ary Izaho hitoetra ao aminareo.
Fa ny sampana izay tsy miray amin’ny foto-boaloboka
tsy mahazo mamoa ho azy,
ary toy izany koa ianareo raha tsy mitoetra ao amiko.
Izaho no foto-boaloboka, ary ianareo no sampany.
Izay mitoetra ao amiko sy itoerako dia mamoa be,
satria raha tsy Izaho dia tsy mahefa na inona na inona ianareo.
Izay tsy mitoetra ao amiko dia ariana any ivelany
tahaka ny sampana ka maina,
ary hangonina ny sampana ka hatsipy ao anaty afo, dia may.
Raha mitoetra ao amiko ianareo
ka mitoetra ao aminareo ny teniko,
dia hangataka izay tianareo ianareo,
ka hatao aminareo izany.
Ho voninahitra ho an’ny Raiko raha mamoa be ianareo sy tonga mpianatro.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 14, 18-27)
Tamin’izany andro izany,
dia nisy Jody tonga avy tany Antiôkia sy Ikôniôma,
nanome fo ny vahoaka, ka nitora-bato an’i Paoly izy ireo,
sy nitarika azy ho any ivelan’ny tanàna,
satria nataony ho efa maty izy.
Kanjo nony tonga nanodidina azy ny mpianatra, dia nitsangana izy,
ka niditra tao an-tanàna.
Ny ampitso ihany dia lasa nankany Derbe izy sy i Barnabe.
Ary rahefa nitory ny Evanjely tamin’izany tanàna izany izy,
ka nahazo mpianatra maro,
dia niverina tany Listra sy Ikôniôma, ary Antiôkia nankahery fo ny mpianatra,
sy namporisika azy haharitra amin’ny finoana.
Hoy izy ireo:
“Amim-piaretana fahoriana betsaka
no tsy maintsy idirantsika amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.”
Isan’Eglizy nalehany,
nony efa nivavaka sy nifady hanina izy ireo,
dia nanendry Pretra sy nanankina azy tamin’ny Tompo izay efa ninoany.
Dia namaky an’i Pisidia izy ireo, ka tonga tany Panfilia.
Ary rahefa nitory ny tenin’ny Tompo tany Perjy izy,
dia nidina nankany Atalia.
Avy ao izy, dia niondrana an-tsambo hankany Antiôkia,
fa teo no nanolorana azy hoentin’ny fahasoavan’Andriamanitra
hanao ny asa izay vitany.
Vao tonga tao izy, dia namory ny Fiangonana,
ka nitantara ny zavatra lehibe nataon’Andriamanitra taminy,
sy ny namohany ny varavaran’ny finoana ho an’ny Jentily.
Ary elaela ihany no niarahany nitoetra tamin’ny mpianatra tao Antiôkia.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 144, 10-11. 12-13ab. 21
Tompo ô, midera Anao ny asanao rehetra!
Misaotra Anao ny mpivavaka aminao!
Miresaka ny voninahitry ny fanjakanao izy ireo,
sy miteny ny asanao mahery.
Mba ho fantatry ny olombelona ny asanao mahery,
sy ny voninahitra sy harevaky ny fanjakanao!
Fanjakana mandrakizay tokoa ny Fanjakanao;
amin’ny taona mifandimby ny fifehezanao!
Ny vavako hiteny fiderana ny Tompo;
ny nofo rehetra hisaotra ny Anarany Masina!
Isaorana ny Tompo! Isaorana ny Anarany:
mandrakizay mandrakizay!
Alelola, aleloia.
Tsy maintsy hijaly i Kristy sy hitsangan-ko velona, ary hiditra amin’ny voninahiny.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 14, 27-31a)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nilaza tamin’ny mpianany hoe:
“Fiadanana no avelako aminareo, ny fiadanako no omeko anareo,
tsy mba tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no omeko anareo.
Aoka tsy hitebiteby na hatahotra ny fonareo.
Efa renareo fa izao no voalazako taminareo:
Handeha Aho,
nefa mbola hiverina ho atý aminareo.
Raha tia Ahy ianareo,
dia ho faly tokoa amin’izao handehanako ho any amin’ny Ray izao,
satria lehibe noho Izaho ny Ray.
Ary Izaho no milaza izany aminareo
dieny ankehitriny mbola tsy tonga izany,
dia ny mba hinoanareo rahefa tonga izany.
Tsy hilaza zavatra maro aminareo intsony Aho,
fa avy ny filohan’izao tontolo izao;
tsy manana na inona na inona amiko anefa izy,
fa mba ho fantatr’izao tontolo izao fa tiako ny Ray,
ka araka izay nandidiany Ahy no ataoko.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 14, 5-17)
Tamin’izany andro izany,
dia efa nivonon-kanala baràka sy hitora-bato ny Apôstôly ny Jentily sy ny Jody mbamin’ny lehibeny;
saingy ren’i Paoly sy i Barnabe izany,
ka lasa izy ireo nankany Listra sy Derbe, tanàna any Likaônia,
ary tamin’ny tany rehetra manodidina,
dia nitory ny Evanjely tany.
Tany Listra,
nisy lehilahy anankiray nalemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny,
ka tsy mbola namindra, fa nipetraka hatrany hatrany.
Nihaino an’i Paoly nitory teny izy io,
ary nibanjina azy i Paoly,
ka nahita fa nino izy fa ho sitrana,
dia hoy izy tamin’ny feo mahery:
“Mitsangàna, ka mijoroa amin’ny tongotrao.”
Dia niantsambotra ralehilahy, ka namindra.
Nony hitan’ny vahoaka ny nataon’i Paoly,
dia niantso mafy tamin’ny fitenin’ny Likaônia izy nanao hoe:
“Andriamanitra maka endrik’olona no nidina nankaty amintsika.”
Dia i Barnabe moa nantsoiny hoe Jopitera,
ary i Paoly kosa Merkory,
satria izy no mpandahateny.
Mihoatra noho izany,
ny mpisoron’i Jopitera takaikin’ny tanàna mbamin’ny vahoaka aza,
dia efa nitondra ombalahy sy fehiloha teo am-bavahady mihitsy,
ka nikasa hanao sorona.
Fa nony nandre izany ny Apôstôly Barnabe sy Paoly,
dia nandrovitra ny akanjony,
ka nandroso teo afovoan’ny vahoaka niantso mafy hoe:
“Nahoana, ry olona, no dia manao izany ianareo?
Izahay dia olombelona toa anareo ihany,
ka ny mitory aminareo no anay,
mba hialanareo amin’izao zava-poana izao,
sy hanatonanareo an’Andriamanitra velona,
izay nanao ny lanitra sy ny tany,
ary ny ranomasina mbamin’ny zavatra rehetra ao amin’ireo.
Namela ny firenena rehetra teo aloha handeha amin’ny lalana tiany Izy;
kanefa tsy nitsahatra ny nanisy vavolombelona
hanambara ny tenany mandrakariva tamin’ny soa nataony,
dia ny mandatsaka ny ranonorana avy any an-danitra,
ny mahavokatra ny tany amin’ny fotoana,
ka mahavoky hanina antsika sy mahafeno hafaliana ny fontsika.”
Fa na dia izany aza no tenin’izy roa lahy,
dia saiky tsy nahasakana ny vahoaka tsy hanao sorona taminy izy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 113B, 1-2. 3-4. 15-16
Ts’izahay, ry Tomponay ô, ts’izahay
fa ny Anaranao no omeo fiderana.
Lehibe tokoa ny hatsaram-ponao.
Mahatoky raha ny fahamarinanao.
Ny tsy mpino anefa misy manontany:
Iza hono no Andriamanitr’izy ireo?
Ny Andriamanitray dia any an-danitra any.
Ary vitany izay sitraky ny fony.
Raha ny sampin-dry zareo dia volamena, volafotsy:
asan-tanana ireny.
Izy hanambina an’ireo taranakao,
Izy ’lay nanao ny lanitra sy tany.
Raha ny lanitra dia lanitr’Izy Tompo,
fa ny tany lovan-janak’i Adama.
Aleloia. Aleloia.
Raha niara-nitsangana tamin’i Kristy ianareo, dia ny zavatra any ambony, amin’izay itoeran’i Kristy eo ankavanan’Andriamanitra, no katsaho.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 14, 21-26)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Izay manana ny didiko ka mitandrina azy no tia Ahy;
ary izay tia Ahy, dia ho tian’ny Raiko, sy ho tiako koa,
ka haneho ny tenako aminy Aho.”
Ary i Jodasy, tsy ilay Iskariota, nanao taminy hoe:
“Ahoana, Tompoko,
no itiavanao haneho ny tenanao aminay ihany,
fa tsy amin’izao tontolo izao koa?”
Namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe:
“Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy,
ka ho tian’ny Raiko,
ary hankeo aminy izahay ka honina ao aminy.
Fa izay tsy tia Ahy kosa,
dia tsy mba mitandrina ny teniko;
ary ny teny izay renareo dia tsy Ahy,
fa an’ny Ray izay naniraka Ahy.
Voalazako taminareo izany,
raha mbola mitoetra eto aminareo Aho.
Fa ny Mpanafaka alahelo, dia ny Fanahy Masina,
izay hirahin’ny Ray amin’ny Anarako,
no hampianatra anareo ny zavatra rehetra,
sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra nolazaiko taminareo.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco